Ny toetran’ny olona efa nibebaka

Mofonaina anio: Alarobia, faha 05 Martsa 2025

Matio 3.7-12

Matio 3.7-12
7 Fa nony nahita ny Fariseo sy ny Sadoseo maro nanatona ny batisany izy, dia hoy izy taminy: Ry taranaky ny menarana, iza no nanoro hevitra anareo handositra ny fahatezerana ho avy? 8 Koa mamoaza voa miendrika ny fibebahana ianareo; 9 ary aza manao anakampo hoe: Manana an'i Abrahama ho rainay izahay; fa lazaiko aminareo fa Andriamanitra mahay manangana zanaka ho an'i Abrahama avy amin'ireto vato ireto. 10 Ary, indro, efa mipetraka eo amin'ny fototry ny hazo sahady ny famaky; koa ny hazo rehetra izay tsy mamoa voa tsara dia hokapaina ka hatsipy any anaty afo. 11 Izaho dia manao batisa anareo amin'ny rano ho amin'ny fibebahana; fa Ilay avy ao aoriako no mahery noho izaho, ka tsy miendrika hitondra ny kapany aza aho; Izy no hanao batisa anareo amin'ny Fanahy Masina sy ny afo; 12 eny an-tànany ny fikororohany, ary Izy hanadio tsara ny eo am-pamoloany ka hanangona ny variny ho any an-tsompitra; fa ny akofa sy ny mololo hodorany amin'ny afo tsy mety maty.

« ary aza manao anakampo hoe: Manana an’i Abrahama ho rainay izahay; … » (And. 9)

Ny Jiosy tamin’ny andron’i Jaona Mpanao Batisa, dia nihevitra fa ampy hahavonjy azy ireo ny nandovàny ny teny fampanantenana avy amin’Andriamanitra avy tamin’i Abrahama. Ka na dia tsy manana ny toetra araka ny maha vahoaka voafidy aza izy ireo dia voavonjy ihany. Anarina izay olona manana izany fomba fisainana izany ankehitriny. Tsy mahavonjy ny maha taranaky ny olona mpino (Mpitandrina, Katekista, …). Mitaky finoana sy fiainana ny toetra maha olom-boafidy fa tsy sanatria ny mifanohitra amin’izany. Ny finoana an’i Jesoa irery ihany no mahavojy.

«… Izy no hanao batisa anareo amin’ny Fanahy Masina sy ny afo; » (And. 11)

Ny Batisan’i Jaona dia fanomanana ny olona handray an’i Jesoa Kristy. Batisan’ny fibebahana. Taomina hibebaka ny olona mialohan’ny handraisany an’i Jesoa Kristy. Fa ny Batisan’i Kristy no handraisany ny Fanahy Masina. Ka ny fandraisantsika ny Sakramentan’ny Batisa dia mariky ny fandraisana ny Fanahy Masina. Fanehoana amin’ny fomba hita maso fa efa nandray ny Fanahy Masina ny Batisa. Ka ny olona natao Batisa ho « amin’ny anaran’ny Ray sy ny Zanaka ary ny Fanahy Masina » dia efa nandray ny Fanahy Masina. Ny Fanahy Masina nahatonga antsika Zanak’ Andriamanitra.

Ahoana ny fomba iainanao ny maha olona vita Batisa anao?