Ny toe-panahin’ny Apostoly.

Mofonaina anio: Alatsinainy, faha 13 Mey 2024

Romana 15. 14-21

Romana 15. 14-21
14 Fa izaho koa, ry rahalahiko, dia matoky ny aminareo fa feno fahatsarana ianareo sady mahay mifananatra koa. 15 Kanefa amin'ny fahasahiana no anoratako ny teny sasany aminareo, toy ny mampahatsiaro anareo indray noho ny fahasoavana nomen'Andriamanitra ahy, 16 mba ho mpanompon'i Kristy Jesosy ho an'ny jentilisa aho ka manao fanompoam-pivavahana amin'ny itoriako ny filazantsaran'Andriamanitra, mba horaisina amin'ny fankasitrahana ny fanatitra, dia ny jentilisa, rehefa nohamasinin'ny Fanahy Masina. 17 Ka dia manana izay hataoko rehareha ao amin'i Kristy Jesosy aho noho ny amin'Andriamanitra. 18 Fa tsy sahiko lazaina izay zavatra tsy nampanaovin'i Kristy ahy, na tamin'ny teny, na tamin'ny asa, mba hampanaiky ny jentilisa, 19 dia tamin'ny herin'ny famantarana sy ny fahagagana, ary tamin'ny herin'ny Fanahy Masina*, dia hatrany Jerosalema ka manodidina hatrany Ilyrikiona, no nahatanterahako ny fitoriako ny filazantsaran'i Kristy. [* Na: (Fanahin'Andriamanitra)] 20 Koa dia nataoko ho voninahitro ny hitory ny filazantsara toy izao: tsy eo amin'izay efa niantsoana an'i Kristy anefa, fandrao hanovona eo ambonin'izay efa naorin'ny sasany aho; 21 fa araka ny voasoratra hoe: Izay tsy nilazana Azy no hahita, Ary izay tsy nandre no hahafantatra (Isa. 52. 15).

Ny toe-panahin’ny Apostoly.

Mendrika halain-tahaka ny toe-panahy ananan’i Paoly araka izay hita amin’ity fehin-teny nataony ho an’ny Fiangonana ity:

1- Ny fanetren-tenany:

Nampiseho fahalemem-panahy sy nitandrina fatratra araka izay azo natao izy ny amin’izay hambarany: « Fa izaho koa, ry rahalahiko, dia matoky ny aminareo fa feno fahatsarana ianareo sady mahay mifananatra koa. » (and.14). Fantany fa efa nisy mpitarika sy mpampianatra ny Fiangonana tany Roma, sady tsy izy rahateo no nanorina azy, ka dia toy ny mampahatsiaro azy ireo izay efa fantany no nataony. Raha tsy manana fanetren-tena toy izany ny mpitory Filazantsara dia mety handrodana na « hanovona eo ambonin ‘izay efa naorin’ny sasany » (and.20d). Izao mantsy no fahita matetika: rehefa miova ny mpitondra, dia mirodana miaraka amin’izay koa ny zavatra rehetra naorin’ny teo aloha na ny mety na ny tsy mety. Ilana fitandremana izany!

2- Ny fahalalany ny asa fanompoany (and.18-19)

Hain’i Paoly sy voafehiny mazava tsara ny asa fanompoany amin’ny maha Apostoly azy: « …manao fanompoam-pivavahana amin’ny itoriako ny filazantsaran’Andriamanitra… » (and.16b). Tahaka ny mpisorona Jiosy manao fanatitra eo anatrehan’ Andriamanitra izy: ny Jentilisa izay mandray ny Filazantsara no fanatitra ankasitrahan’Andriamanitra; Paoly no mpisorona manatitra ny fanatitra, ary ny Fanahy Masina kosa no manamasina ny fanatitra. Raha izany no raisina, dia tsy tokony hanao an-tsirambina ny asa fanompoany ny mpitandrina sy izay rehetra mitaona olona ho eo amin’i Jesoa Kristy ka mampianatra sy mitaiza azy mandra-panolony ny tenany ho an’Andriamanitra. Asa masina izany ka ilåna mandrakariva ny fitarihan’ny Fanahy.

Fanontaniana:

Taiza avy no toerana efa nanaovanao Tafika Masina?

Sampana Sekoly Alahady Foibe