Ny teny nomen’Andriamanitra ny olony
Mofonaina anio: Alarobia, faha 03 Febroary 2021
DEOTERONOMIA 6.1-9
DEOTERONOMIA 6.1-9
1 [Ny amin'ny fitiavana an'Andriamanitra] Ary izao no lalàna, dia ny didy sy ny fitsipika, izay nasain'i Jehovah Andriamanitrareo hampianarina anareo mba harahinareo any amin'ny tany izay alehanareo holovana, 2 mba hatahoranao an'i Jehovah Andriamanitrao, hitandremanao ny lalàny rehetra sy ny didiny izay andidiako anao, dia ianao sy ny zanakao ary ny zafinao, amin'ny andro rehetra hiainanao, mba ho maro andro ianao. 3 Koa mihainoa, ry Isiraely, ka mitandrema hanaraka izany, mba hahita soa ianao, ary mba hitomboanareo indrindra, araka izay nolazain'i Jehovah, Andriamanitry ny razanao, taminao, dia any amin'ny tany tondra-dronono sy tantely. 4 Mihainoa, ry Isiraely: Jehovah Andriamanitsika dia Jehovah iray ihany. 5 Ary tiava an'i Jehovah Andriamanitrao amin'ny fonao rehetra sy ny fanahinao rehetra ary ny herinao rehetra. 6 Ary aoka ho ao am-ponao izao teny andidiako anao anio izao. 7 Dia ampianaro tsara ny zanakao izany, ary resaho, na mipetraka ao an-tranonao ianao, na mandeha any an-dalana, na mandry, na mifoha; 8 ary fehezo ho famantarana eo amin'ny tananao ireny, ary aoka ho fehy fampahatsiarovana eo ambonin'ny handrinao, 9 ary soraty eo amin'ny tolam-baravaran'ny tranonao sy eo amin'ny vavahadinao.Ny teny nomen’Andriamanitra ny olony
1-Antoky ny fiainana (and 1-3)
Miavaka ny vahoakan’Andriamanitra, satria nomeny ny didy sy ny fitsipika mba harahiny sy hankatoaviny . Raha miaina marina araka ny Tenin’ Andriamanitra ny olona dia handray fahavelomana , fahasoavana mba hahita soa ianao . Fitiavan’Andriamanitra antsika ny fananantsika ny Tenin’ Andriamanitra . Mazotoa mihaino sy mandray ny Tenin’ Andriamanitra , dia hifanena amin’i Jesoa Kristy , ilay fiainana ianao ka ho azo antoka ny ho avinao .
2-Itomboana amin’ny finoana (and 4-5)
Ao amin’ny Tenin’Andriamanitra ihany koa no hahalalan’ny olona ny maha- Izy an’ Andriamanitra tokana . « Jehovah Andriamanitsika dia Jehovah iray ihany « . Ny olona mihaino sy mandinika ny Tenin ‘Andriamanitra no afaka miorina amin’ny finoana marina satria mahalala Ilay Andriamanitra tia azy sy hotiaviny amin’ny fiainana manontolo .
3-Ampianarina amin’ny fomba rehetra (and 6-9)
Loharanom-piainana ho an’ny vahoakan’Andriamanitra ny Teniny . Manana adidy noho izany ny ray amandreny : mampita , mampahafantatra , eny mampianatra ny Tenin’ Andriamanitra amin’ny taranaka mifandimby . Tsy maintsy mitady sy mampiasa ny fitaovana rehetra eo amin’ny fiainana andavanandro hampianarana ny Tenin’ Andriamanitra ho an’ny taranaka rehetra isika .
Fanontaniana :
Ifampizarao amin’ny hafa ny fomba entinao mampianatra ny Tenin’ Andriamanitra amin’ny zanakao .
Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM