Ny teny fampanantenana

Mofonaina anio: Alakamisy, faha 11 Febroary 2021

ROMANA 4.13-25

ROMANA 4.13-25
13 Fa tsy lalàna, fa fahamarinana amin'ny finoana, no nahazoan'i Abrahama sy ny taranany ny teny fikasana ho mpandova izao tontolo izao izy. 14 Fa raha izay amin'ny lalàna no mpandova, dia efa foana ny finoana, ary efa tsinontsinona ny teny fikasana; 15 fa ny lalàna mahatonga fahatezerana; fa raha tsy misy lalàna, dia tsy misy fandikan-dalàna. 16 Koa finoana no andovana, mba ho araka ny fahasoavana, hahatò ny teny fikasana ho an'ny taranaka rehetra,- tsy ho an'izay amin'ny lalàna ihany, fa ho an'izay amin'ny finoan'i Abrahama koa, dia ilay razantsika rehetra - 17 araka ny voasoratra hoe: Nataoko ho rain'ny firenena maro ianao (Gen. 17. 5) - teo anatrehan'izay ninoany, dia Andriamanitra Izay mamelona ny maty sy miantso ny tsy misy toy ny misy. 18 Ary na dia efa tsy nisy fanantenana aza, dia nanantena ihany izy ka nino, mba ho rain'ny firenena maro; araka ny voalaza hoe: Ho tahaka izany ny taranakao (Gen. 15. 5). 19 Ary satria tsy mba nalemy finoana izy, dia nihevitra ny tenany izay efa hoatra ny maty (fa efa tokony ho zato taona izy) sy ny fahafatesan'ny kibon'i Saraha, 20 ary tsy niahanahana ny amin'ny teny fikasan'Andriamanitra tamin'ny tsi-finoana izy, fa nampaherezin'ny finoana ka nanome voninahitra an'Andriamanitra 21 ary natoky indrindra fa izay nolazainy dia hainy hatao koa. 22 Dia nisaina ho fahamarinany izany. 23 Nefa tsy ho azy ihany no nanoratana fa nisaina ho azy izany, 24 fa ho antsika izay hanisana izany koa, dia isika izay mino Ilay nanangana an'i Jesosy Tompontsika tamin'ny maty, 25 Izay natolotra noho ny fahadisoantsika ka natsangana indray ho fanamarinana antsika.

Ny teny fampanantenana

1-Mitaky finoana amin’ny olona

Nampanantena an’i Abrahama Andriamanitra fa ho tonga firenena lehibe izy : avy amin’ny taranany no hitahana ny firenena rehetra ambonin’ny tany . Rehefa nandroso fahanterana i Abrahama sy Saraha vadiny dia indro Andriamanitra nampahery azy ireo , fa mitana ny teny nataony Izy . Andriamanitra manatanteraka izay nolazainy . Noho ny Tenin’Andriamanitra dia nino i Abrahama , nampahery azy ny Tenin’ Andriamanitra , niorina sy natoky ny fitondran’Andriamanitra hatrany izy (and20) . Ilay Andriamanitra ivavahantsika dia manatanteraka ny teny fampanantenana nataony hatrany . Ny anjaranao dia ny mino Azy , matoky fa mahay ny zavatra rehetra Izy .

2-Handraisana fahasoavana

Ny finoan’i Abrahama an’Andriamanitra no nanamarinana azy , nandraisany ny fahasoavan’Andriamanitra ka nahatonga azy ho firenena lehibe . Miseho eto araka izany , fa tsy ny ezaka ataon’ny olona no hanoloran’ Andriamanitra fahasoavana fa noho ny finoana irery ihany . Ny finoana an’i Jesoa Kristy , ilay natolotr’ Andriamanitra hisolo voina ny mpanota no hanamarinana ny olona ka manafaka ny olona amin’ny fatoran’ny fahotana sy ny fahafatesana . Tarihana araka izany isika mba hampiorina ny finoantsika an’ Andriamanitra amin’ ny fandraisana ny teny fampanantenana nataony ho antsika . Raha mino sy mankato izay lazain’Andriamanitra isika dia handray fahasoavana mandrakariva avy amin’i Jesoa Kristy .

Fanontaniana:

Inona no tokony hatao mba hitomboana amin’ny finoana ?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM