Ny « TENY »

Mofonaina anio: Alatsinainy, faha 02 Janoary 2023

JAONA 1.1-5

JAONA 1.1-5
1 Tamin'ny voalohany ny Teny, ary ny Teny tao amin'Andriamanitra, ary ny Teny dia Andriamanitra. 2 Izy dia tao amin'Andriamanitra tamin'ny voalohany. 3 Izy no nahariana ny zavatra rehetra; ary raha tsy Izy dia tsy nisy nahariana izao zavatra ary izao, na dia iray aza. 4 Izy no nisiam-piainana; ary ny fiainana no fanazavana ny olona. 5 Ary ny mazava dia mamirapiratra ao amin'ny maizina; fa ny maizina tsy nandray azy*. [*Na: Tsy mahasakana azy]

Ny « TENY« 

Ampiasain’iJaona ny voambolana hoe: « Teny » mba hanehoany ny hery sy fahefan’i Jesoa Kristy ka ilazany fa :

1- Hatrizay hatrizay ny Tenin’Andriamanitra

Tamin’ny voalohany ny Teny ,ary ny Teny tao amin’Andriamanitra  » (and1) . Milaza izany fa ny Tenin’Andriamanitra dia efa teo hatramin’ny talohan’ny nahariana ny zavatra rehetra. Tsy voafetran’ny fotoana sy ny tantara ny Tenin’Andriamanitra fa hatrizay hatrizay ka ho mandrakizay . Araka izany dia tsy azo sarahina mihitsy Andriamanitra sy ny Teniny , satria tsy hafa ny « Teny« fa milaza an’Andriamanitra ihany : » »...ary ny Teny dia Andriamanitra« .

2- Ny Tenin’Andriamanitra no nahariana ny zavatra rehetra

Raha mijery ny tantaran’ny naharian’Andriamanitra ny zavatra rehetra isika hahita fa ny teny naloaky ny vavan’Andriamanitra no nampisy ny zavatra rehetra (Gen 1.3,6,9).Teny feno hery sy fahefana ny Tenin’Andriamanitra ka mahavita zavatra lehibe sy mahagaga.Tsy misy ny zavatra rehetra raha tsy noho ny hery sy fahefan’ny Tenin’Andriamanitra . « Izy no nahariana ny zavatra rehetra,ary raha tsy Izy dia tsy nisy nahariana izao zavatra ary izao , na dia iray aza » (and 3)

3- Jesoa Kristy no « Tenin’Andriamanitra »

Jesoa Kristy no ambaran’ iJaona amin’io« Teny« io. Izy no hery sy fahendren’Andriamanitra .Izy dia efa tao amin’Andriamanitra hatrizay hatrizay ka ho mandrakizay . »Izy no lalana sy fahamarinana ary fiainana » . »Izy no nisiam-piainana,ary ny fiainana no fanazavana ny olona« (and 4).Izy no fahazavan’izao tontolo izao. Izy no tsy miova omaly sy anio ary mandrakizay (Heb 13.8). Izy no ANDRIAMANITRA.

Fanontaniana :

Lazao izay fiovana nentin’ny Tenin’Andriamanitra taminao.

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM