Ny tenin’ny Filazantsara
Mofonaina anio: Alahady, faha 16 Febroary 2020
1 PETERA 1.22-25
1 PETERA 1.22-25
22 Satria efa nodiovinareo ny fanahinareo tamin'ny fanarahana ny fahamarinana ho amin'ny fitiavan-drahalahy tsy miangatra dia mifankatiava fatratra amin'ny fo*; [* Na:(amin'ny fo madio)] 23 fa efa teraka indray ianareo, tsy tamin'ny voa mety ho lò, fa tamin'ny tsy mety ho lò, dia ny tenin'Andriamanitra, izay velona sady maharitra. 24 Fa "ny nofo rehetra dia tahaka ny ahitra, Ary izay mety ho voninahiny dia tahaka ny vonin'ny ahitra. Malazo ny ahitra, ka mihintsana ny voniny; 25 Fa ny tenin'ny Tompo maharitra mandrakizay" (Isa. 40.6 - 8). Ary izany no tenin'ny filazantsara izay notorina taminareo.Ny tenin’ny Filazantsara
1-Manadio ny fo
» …nodiovinareo ny fanahinareo… » (and 22). Ny fanadiovana ny fo izay itoeran’ny fitiavana dia midika ho fanapotehana ireo fironana amin’ny fitiavan-tena sy ny fahalotoana rehetra. Ny fanekena hankato sy hiaina ny fahamarinana araka ny voalazan’ny Filazantsara ihany anefa no nahatanteraka izany. Koa ny fitiavana araka an’Andriamanitra dia tsy izay mety amin’ny olona akory fa araka izay mety amin’ Andriamanitra . Andriamanitra ,fa Izy irery ihany no afaka mampianatra ny olona hahay hitia ny hafa amin’ny fahamarinana, amin’ny fitiavana tsy misy fihatsarambelatsihy .Koa diovy amin’ny Filazantsara ny fonao mba hahafahanao mitia ny hafa amin’ny fahamarinana.
2-Mahary ho olom-baovao
« ...teraka indray ianareo… » (and 23) .Tsy maintsy hateraka indray ny olona mba hahatonga azy ho olom-baovao mahay mitia ny hafa amim-pirahalahiana tanteraka. Ny tanjon’ny fahaterahana indray izany dia ny fitiavana ny hafa .Tsy avy amin’izao tontolo izao anefa izany fanavaozana izany fa avy amin’Andriamanitra , araka ny voasoratra hoe: »tamin’ny tsy mety lo » dia ny Filazantsara izany . Izay nateraky ny Filazantsara ihany no velona amin’ny fitiavana ny hafa. Koa tsy vitan’ny ezaka ataon’ny olona izany fa asan’ny tenin’ny Filazantsatra , fahariana ho olombaovao izany.
Fanontaniana:
Efa madio fo sy manam-pitiavana ny hafa ve ianao?
Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM