Ny Tenin’i Jesoa Kristy

Mofonaina anio: Alarobia, faha 26 Febroary 2020

APOKALYPSY 21.1-8

APOKALYPSY 21.1-8
1 [Ny amin'i Jerosalema vaovao] Ary nahita lanitra vaovao sy tany vaovao aho; fa efa lasa ny lanitra voalohany sy ny tany voalohany, ary ny ranomasina dia tsy misy intsony. 2 Ary nahita aho fa, indro, ny tanàna masina, dia Jerosalema vaovao, nidina avy any an-danitra tamin'Andriamanitra, voaomana tahaka ny ampakarina efa mihaingo hihaona amin'ny vadiny. 3 Ary nahare feo mahery avy teo amin'ny seza fiandrianana aho nanao hoe: Indro, ny tabernakelin'Andriamanitra dia eo amin'ny olona, ary Izy hitoetra* eo aminy, ary ireo ho olony, ary Andriamanitra no hitoetra eo aminy, dia ho Andriamaniny. [* Gr. hitoetra an-day] 4 Ary hofafany ny ranomaso rehetra amin'ny masony; ary tsy hisy fahafatesana intsony, sady tsy hisy alahelo, na fitarainana, na fanaintainana; fa efa lasa ny zavatra taloha. 5 Ary hoy Ilay mipetraka eo ambonin'ny seza fiandrianana: Indro, havaoziko ny zavatra rehetra. Ary hoy koa Izy: Soraty; fa mahatoky sy marina ireo teny ireo. 6 Ary hoy koa Izy tamiko: Tanteraka ireo. Izaho no Alfa sy Omega, ny fiandohana sy ny fiafarana. Izaho hanome maimaimpoana amin'ny loharanon'ny ranon'aina ho an'izay mangetaheta. 7 Izay maharesy no handova izany zavatra izany; ary ho Andriamaniny Aho, ary izy ho zanako. 8 Fa ny osa sy ny tsy mino sy ny vetaveta sy ny mpamono olona sy ny mpijangajanga sy ny mpanao ody ratsy sy ny mpanompo sampy ary ny mpandainga rehetra dia hanana ny anjarany ao anatin'ny farihy mirehitra afo sy solifara; izany no fahafatesana faharoa.

Ny Tenin’i Jesoa Kristy

1-Mitondra fanavaozana (and5)

Ny tabernakely izay manambara ny fanatrehan’ Andriamanitra sy ny fiangonan’ny olona voavidin’ny Ran’i Kristy no entina maneho ny fifandraisana tonga lafatra eo amin’ Andriamanitra sy ny olona . Nohariana ho vaovao avokoa ny Zanak’ Andriamanitra sy ny zava-boahary rehetra mba hahatonga an’Andriamanitra ho ao amin’izy rehetra .Rehefa manatrika Andriamanitra dia foana avokoa ny herin’ny fanapotehan’ny ota ka tonga vaovao hifanaraka amin’ny voninahitry ny any an-danitra izany (and 4). Araka izany , ny fanatrehan’ Andriamanitra amin’ny alalan’ny teniny ihany no afaka mitondra fanavaozana eo amin’ny fiainan’ny olona .

2-Azo antoka ny fahatanterahany (and5)

Ny teny hoe: »mahatoky » dia azo adika ho « azo antoka » , ary manana hevitra hoe: « azo hanorenana finoana  » .Ireo fanambarana nataon’i Jesoa Kristy ireo dia azo antoka ka tokony hinoan’ny olona rehetra satria Andriamanitra marina no miteny sy manambara izany . Azo antoka fa tsy maintsy ho tanteraka avokoa izay rehetra voalazan’ny Soratra masina ka ho an’izay rehetra tsy mino dia tsy maintsy hihatra aminy ny famaizana rehetra voalaza ao . Ho an’izay mino kosa dia tsy maintsy handova ny lanitra vaovao sy tany vaovao araka ny teny fampanantenana nataon’Andriamanitra izay voarakitra ao amin’ny Soratra Masina . Koa minoa ny Tenin’i Jesoa Kristy

Fanontaniana:

Hatraiza ny finoanao ny Tenin’ Andriamanitra , efa nihavao ve ianao?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM