Ny Tenin’Andriamanitra vaha-olana
Mofonaina anio: Alahady, faha 12 Febroary 2023
LIOKA 8.22-25
LIOKA 8.22-25
22 Ary tamin'ny andro anankiray dia niondrana an-tsambokely Jesosy sy ny mpianany; ary hoy Izy taminy: Andeha isika hankeny am-pitan'ny farihy; dia lasa izy. 23 Ary nony nandeha ny sambokely, dia azon'ny torimaso Jesosy; ary nisy tafio-drivotra nidina tamin'ny farihy, ka nila ho feno rano ny sambo, ary saiky nahita loza izy ireo. 24 Ary nanatona izy, dia namoha Azy ka nanao hoe: Tompoko, Tompoko, maty izahay! Dia nitsangana Izy, ka noteneniny mafy ny rivotra sy ny onjan-drano. Ary dia nitsahatra izany, ka tonga tony tsara ny andro. 25 Ary hoy Izy taminy: Aiza ny finoanareo? Ary natahotra izy ireo sady gaga ka niresaka hoe: Iza moa Ity, no mandidy ny rivotra sy ny rano Izy, ka manaiky Azy izany!Ny Tenin’Andriamanitra vaha-olana
amin’ny loza manjo ny olona (and24-25)
« ary noteneniny mafy ny rivotra sy ny onjan-drano ary dia nitsahatra izany ka tonga tony tsara ny andro ary hoy izy taminy :aiza ny finoanareo? «
Voalohany , hitantsika ao amin’ny andininy 26-39 fa rehefa tonga teny am-pita i Jesoa sy ny mpianany dia namaha ny gadran’ilay demoniaka iray . Azo eritreretina izany fa mba hanakanan’i satana izany fanafahana lehibe izany dia niasa mafy izy ka nampanonja ny ranomasina ary ny rivotra mafy mba ho fefika i Jesoa sy ny mpianany . Aro loza ny Tompontsika . Ny Teniny no nampitony izany ka avotra izy ireo ary mbola afaka manao izany amintsika koa Izy . Hoy Izy hoe : « Antsoy Aho dia hovaliako ianao ka hampisehoako zavatra lehibe sy saro-pantarina izay tsy fantatrao » Jer 33.3 .Ireto mpianatra ireto raha sendra loza dia niantso vonjy tamin’i Jesoa ka novaliany .
Ny Tenin’i Jesoa koa eto dia manontany ny finoan’ny mpianatra raha io teniny io dia toa milaza fa efa manam-pinoana ny mpianatra , saingy tsy noheveriny ho ampiasaina amin’ny toe-javatra toy izany ny finoana an’i Jesoa . Teto izy ireo dia talanjona ny amin’i Jesoa satria azo antsoina amin’ny toe-javatra toy izao koa ny Tompo satria voafehiny izany .Fantaro àry fa tena azo ampiasaina amin’ny toe-javatra toy izao koa ny finoana ao aminao .
Fanontaniana :
Saika olana sy loza manjo no matetika hita eo amin’ny fiainan’ny olona .Inona no vaha-olana amin’izany rehetra izany ?
Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM