Ny Tenin’Andriamanitra
Mofonaina anio: Zoma, faha 24 Febroary 2023
JAONA 12.44-50
JAONA 12.44-50
44 Ary Jesosy niantso ka nanao hoe: Izay mino Ahy, dia tsy Izaho no inoany, fa Izay naniraka Ahy. 45 Ary izay mahita Ahy dia mahita Izay naniraka Ahy. 46 Izaho tonga amin'izao tontolo izao ho fahazavana, mba tsy hitoetra ao amin'ny maizina izay rehetra mino Ahy. 47 Ary raha misy mandre ny teniko ka tsy mitandrina, Izaho tsy mitsara azy; fa tsy tonga hitsara izao tontolo izao Aho, fa hamonjy izao tontolo izao. 48 Izay manda Ahy ka tsy mandray ny teniko, dia manana izay mitsara azy: ny teny izay nolazaiko, izany ihany no hitsara azy amin'ny andro farany, 49 satria Izaho tsy niteny ho Ahy, fa ny Ray Izay naniraka Ahy, Izy no nandidy Ahy izay holazaiko sy izay hotoriko. 50 Ary fantatro fa fiainana mandrakizay ny didiny; koa izay lazaiko dia lazaiko araka izay nolazain'ny Ray tamiko.Ny Tenin’Andriamanitra
1-Tandremo tsara
Raha mitandrina ny teny izay ambaran’i Jesoa isika dia ambarany fa misy ilay mitsara antsika . Ny hevitr’izany dia izao : anjaran’i Jesoa ny manome ny teny fiainana ho antsika ary anjarantsika ny mihaino sy mandray izany sao ho fanamelohana antsika ny tsy fitandremantsika izay ambarany .Hoy i Jesoa manamafy izany : » izay mandà Ahy ka tsy mandray ny teniko dia manana izay mitsara azy . Ny teny izay nolazaiko , izany ihany no hitsara azy amin’ny andro farany » (and 48) .Tsy hanameloka antsika no tanjon’ny Tompo fa ny hanavotra sy hanolotra fiainana ho antsika .
2-Fiainana mandrakizay ho anao
« ary fantatro fa fiainana mandrakizay ny didiny . Koa izay lazaiko araka izay nolazain’ny Ray tamiko » (and50) . Tsy mba nanova ny teny avy amin’ny Rainy i Jesoa fa izay nambara taminy ihany no nolazainy ary na tamin’izay nataony aza dia izay nanirahana azy ihany no notanterahany .Fa hoy Izy : « fa tsy nidina avy tany an-danitra Aho mba hanao ny sitrapoko , fa ny sitrapon’izay naniraka Ahy , dia ny tsy hamelako hisy very izay rehetra nomeny Ahy , fa hatsangako indray amin’ny andro farany » (Jao 6.39)
Fanontaniana :
Ahoana ny fahatsapanao ny fiainanao rehefa mandray ny tenin’ny Tompo ianao ?
Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM