Ny Tenin’ Andriamanitra eo amin’ny mpino

Mofonaina anio: Alakamisy, faha 13 Febroary 2020

LIOKA 11.27-28

LIOKA 11.27-28
27 Ary raha nilaza izany Jesosy, dia nisy vehivavy anankiray teo amin'ny vahoaka niantso ka nanao taminy hoe: Sambatra ny kibo izay nitondra Anao sy ny nono izay ninonoanao. 28 Fa Izy nanao hoe: Eny tokoa, kanefa mainka sambatra aza ny mihaino ny tenin'Andriamanitra ka mitandrina izany.

Ny Tenin’ Andriamanitra eo amin’ny mpino

Rehefa nahita ny asa lehibe nataon’i Jesoa ity vehivavy ity dia resy lahatra ka nilaza fa sambatra i Maria reniny .Mitaona handray ny tena fahasambarana noho izany i Jesoa.

1-Tenin’ Andriamanitra hitondrana ny fiainana

Nitaona ilay vehivavy ho amin’ny fandraisana sy fiainana ny Tenin’ Andriamanitra i Jesoa . Anjaran’ny olona mino ny asa nasehon’ Andriamanitra teo amin’ny fiainan’i Jesoa ny mino ka mandray ny teniny .Tsy ampy mantsy ny hoe : manana fifandraisana Aminy amin’ny maha- reny niteraka sy zanaka fa ny zava-dehibe indrindra dia ny fanekena hihaino ny Tenin’ Andriamanitra ary mifamatotra amin’izany ny fampiharana ny Teny nohenoina hitondrana ny fiainana.

2-Tenin’Andriamanitra handraisana fahasambarana

Rehefa mandray marina ny Tenin’Andriamanitra ny mpino .Manorina fifandraisana vaovao amin’ny fihainoana sy fankatoavana ny Teniny dia misy vokatsoa raisina avy amin’izany : fiainam-pahasambarana .Tsarovy fa mitondra anao amin’ny tena fiainana feno fahasambarana ny fanekena hifandray marina amin’i Jesoa tsy amin’ny endrika hita maso fa amin’ny fiainana ara-panahy dia ianao manana ny teniny ka miaina araka ny fiainan’ny zanak’ Andriamanitra . Meteza ianao hanokana fotoana hihainoana ny Tenin’Andriamanitra . Ampiharo eo amin’ny fiainanao izany dia ho sambatra ianao.

Fanontaniana:

Inona no tokony hataonao mba hanananao fiainam-pahasambarana?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM


Mofon'aina teo aloha

Maneho ny tàna-maheriny ny Tompo

Zoma, 10 Janoary 2020

ASAN’NY APOSTOLY 12.1-10 Maneho ny tàna-maheriny ny Tompo 1-Amin’ny alalan’ny vavaka Mafy ny fanenjehana nohatra…

MANEHO NY TANA-MAHERINY NY TOMPO

Alatsinainy, 6 Janoary 2020

MANEHO NY TANA-MAHERINY NY TOMPO JONA  2.1-11 1-Ho famerenana  ny  mpanompo mivily làlana Voatery  natsipy …

MANEHO NY TANA-MAHERINY NY TOMPO

Alakamisy, 2 Janoary 2020

MANEHO NY TANA-MAHERINY NY TOMPO ASAN’NY  APOSTOLY 9.1-9 1-Jesoa Kristy miandany  amin’ny mpanompony Sarotiny  tamin’ny…