Ny Tenin’ Andriamanitra eo amin’ny fiainan’ny mino
Mofonaina anio: Talata, faha 11 Febroary 2020
SALAMO 119.129-136
SALAMO 119.129-136
129 [PE] Mahagaga ny teni-vavolombelonao, Ka dia mitandrina azy ny fanahiko. 130 Mahazava ny famoahana ny hevitry ny teninao Ka manome fahalalana ho an'ny kely saina. 131 Mitanatana vava aho ka mihanahana, Fa ny didinao no iriko. 132 Todiho aho, ka mamindrà fo amiko, Araka ny tokony ho anjaran'izay tia ny anaranao. 133 Ampitoero eo amin'ny teninao ny diako; Ary aza avela hanapaka ahy izay mety ho faharatsiana. 134 Vonjeo amin'ny fampahorian'ny olona Dia hitandrina ny didinao. 135 Ampamirapirato amin'ny mpanomponao ny tavanao; Ary ampianaro ahy ny didinao. 136 Rano mandriaka no mijononoka amin'ny masoko Noho ny tsi-fitandreman'ny olona ny lalànao.Ny Tenin’ Andriamanitra eo amin’ny fiainan’ny
mino
1-Mamabo ny fony
Resy lahatra ilay mpanao salamo fa tena miavaka ny Tenin’ Andriamanitra izay
novakiany , nampianarina azy sy nandraisany fahalalana sy fahendrena ka
nampiavaka azy tamin’ny hafa. Babo ny fony , ny faniriany dia handray ,
hianatra izany amin’ny fotoana rehetra: » Mahazava ny famoahana ny
hevitry ny Teninao ka manome fahalalana ho an’ny kely saina…mitanatana vava
aho …fa ny didinao no iriko » ‘and130-131).Eny , nataony ho zava-dehibe
ny fitandremana izany .
2-Manamafy ny fiombonana Aminy
Noho ny anjara toerana nomeny ny Tenin’ Andriamanitra teo amin’ny fiainany
dia tsara ny fifandraisany tamin’Andriamanitra . Mivavaka , mangataka ny
famindrampon’ Andriamanitra ho amin’ny fiainany izy. Mino izy fa misy anjara
voatahiry manokana ho azy ao amin’ Andriamanitra : »Todiho aho ka
mamindrà fo amiko , araka ny tokony ho anjaran’izay tia ny anaranao« .
3-Manoro làlana
Mivavaka hatrany ity mpanao salamo ity , ary maneho fa manoloana ny toe-javatra
samihafa miseho eo amin’ny fiainana dia ny Tenin’ Andriamanitra ihany no iriny
, angatahiny , tadiaviny ho mpitari-dàlana azy mba tsy ho resin’ny fandriky ny
ratsy sy manafaka azy amin’ny fahoriana.Rehefa miaina amin’ny Tenin’
Andriamanitra ny mpino dia tsy voafandrik’ilay ratsy ny làlany .
Fanontaniana:
Lazao ny tombotsoa azon’izay mamaky sy mandinika ny Tenin’Andriamanitra
isanandro ?
Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM