Ny Tenin’ Andriamanitra eo amin’ny fiainan’ny mino

Mofonaina anio: Asabotsy, faha 01 Febroary 2020

MAHATOKY NY TENY VAVOLOMBELON'NY TOMPO

SALAMO 119.105-112
105 [NONA] Fanilon'ny tongotro Sy fanazavana ny lalako ny teninao. 106 Efa nianiana aho fa hitandrina ny fitsipikao marina, Ka nefaiko izany. 107 Ampahorina indrindra aho; Jehovah ô, velomy aho araka ny teninao. 108 Jehovah ô, aoka anie mba hankasitrahanao ny fanati-tsitrapo aloaky ny vavako, Ary ampianaro ahy ny fitsipikao. 109 An-tenda* ihany ny aiko mandrakariva; Kanefa tsy manadino ny lalànao aho.[Heb. An-tanako] 110 Ny ratsy fanahy mamela-pandrika haningotra ahy; Kanefa tsy mania miala amin'ny didinao aho. 111 Efa noraisiko ho lovako mandrakizay ny teni-vavolombelonao, Satria fifalian'ny foko izany. 112 Apetrako ny foko hankatò ny didinao Mandrakizay hatramin'ny farany.

Ny Tenin’ Andriamanitra eo amin’ny fiainan’ny mino

1-Manoro làlana

Manana ny anjara toerana lehibe eo amin’ny fiainan’ny olona mino an’ Andriamanitra ny teniny .Resy lahatra tanteraka ny mpanao salamo fa na toa inona na toa inona toe-javatra iainana izorany dia afaka miatrika ny zava-misy hatrany izy satria manana ny Tenin’ Andriamanitra fanilo manazava, mitari-dàlana .Tsarovy fa ny olona tsy manana ny Tenin’ Andriamanitra no sahirana miatrika ny zava-misy .

2-Mampahery

Mandalo fahoriana ny mpino nefa mahery hatrany noho ny fanomezany toerana ny Tenin’Andriamanitra eo aminn’y fiainany .Satriny hitady, hihaino ny Tenin’ Andriamanitra rehefa misy toe-javatra mihatra aminy satria mampahery azy hatrany izany .Raha misy toe-javatra miseho eo amin’ny fiainana vakio ny Tenin’ Andriamanitra fa hahazoanao hery hiatrehana ny ho avy izany.

3-Mampandresy

Miseho eto fa mafy ny fitsapana mahazo azy (and109-110) « an-tenda ihany ny aiko » , kanefa azony antoka ny famonjena ambaran’ny Tenin’ Andriamanitra . Miroso izy ,miroso ho mpandresy ka mifaly noho izany . Ny olona manana ny Tenin’ Andriamanitra dia mpandresy ka mifaly mandrakariva na dia mandalo fitsapana aza.

Fanontaniana:

Mitondra inona ho anao ny Tenin’ Andriamanitra?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM