Ny Tenin’ Andriamanitra dia miteraka fahatokiana Azy

Mofonaina anio: Asabotsy, faha 22 Febroary 2025

Sal 91, 1-8 / Hira 8 / Mofonaina / Hira 512. 1,2

Ohabolana 22.17-21
17 [Ohabolana ny amin'ny fahamarinana sy ny fitondran-tenan'ny hendry] Atongilano ny sofinao, ka henoy ny tenin'ny hendry, Ary ampitandremo ny fahalalako ny fonao; 18 Fa mahafinaritra raha voatahirinao ao an-kibonao izany, Koa aoka samy ho eo amin'ny molotrao. 19 Hianao dia ianao no nampahafantariko izany, Mba hitokianao amin'i Jehovah. 20 Tsy efa nanoratra zava-tsoa ho anao va aho, Izay misy hevitra tsara sy fahalalana, 21 Mba hampahafantariko ny fahamarinan'ny teny mahatoky ianao, Sy hahazoanao teny holazaina amin'izay naniraka anao?

Solomona mpanjaka no nanoratra ary momba ny fahendrena no amharany amin’ izany ka itaomany ny mpamaky. Ny fahendrena na ny tenim-pahendrena izay nananany dia avy amin’ Andriamanitra araka izay nangatahany. Manasa antsika ary izao mofonaina izao mba hiaino sy hitahiry ary hiaina izany teny izany ka hahatoky ny Tompo (And. 19)

Rehefa henoina ka ampidirina ao anaty ny Teny dia tonga fiainana ary tsy afaka am-bava. Ny teny avy amin’ny Soratra Masina dia mampitombo ny fahalalana an’Andriamanitra ary hanehoany ny maha izy azy Azy. Ary izany fahalalana izany no hitarika ho amin’ny finoana. Ny finoana anefa dia fahatokiana an’ Andriamanitra. «Koa ny finoana dia avy amin’ny toriteny ary ny toriteny dia avy amin’ny tenin’i Kristy » (Rom 10.17)

Ny fahafenoana ny Tenin’ Andriamanitra eo amin’ny fiainana dia mamelona fanantenana mandrakariva satria fahatsarana hatrany no ambara ao ary mikendry izay hahasoa. «Tsy efa nanoratra zava-tsoa ho anao va aho, izay misy hevitra tsara sy fahalalana » (And 20). Izao tontolo izao dia mamafy zava-dratsy mety hiteraka fahakiviana na famoizam-po sy ny maro hafa. Ny Tenin’ Andriamanitra kosa dia mampahery sady manoro lalana satria «teny mahatoky», azo antoka tanteraka.

Izay manana ny Tenin’Andriamanitra dia tsy hanana ahiahy na tebiteby na tahotra intsony fa fahatokiana an’Andriamanitra tanteraka no maneno ny fiainany.

Mbola misy kristiana tsy matoky an’ Andriamanitra ve? Nahoona?