Ny Tenin’ Andriamanitra

Mofonaina anio: Alakamisy, faha 06 Febroary 2020

1 JAONA 1.1-4

1 JAONA 1.1-4
1 [Ny firaisan'ny Kristiana amin'Andriamanitra, ary ny vavolombelona mampiseho sy mahamarina izany] Izay hatramin'ny voalohany, dia izay efa renay, izay efa hitan'ny masonay, izay efa nojerenay sady efa notsapain'ny tananay, dia ny amin'ny Teny Fiainana 2 (fa efa naseho ny fiainana, ary efa nahita azy izahay, dia tonga vavolombelona ka manambara aminareo ny fiainana mandrakizay, izay tao amin'ny Ray ka efa naseho taminay), - 3 izay efa hitanay sy renay no ambaranay aminareo, mba hahazoanareo firaisana aminay koa; ary ny firaisanay dia amin'ny Ray sy amin'i Jesosy Kristy Zanany. 4 Ary izao zavatra izao no soratanay, mba ho tanteraka ny fifaliantsika*. [* Na: fifalianareo]

Ny Tenin’ Andriamanitra

Asehon’iJaona amin’izao fitarihanteny izao ny maha-Izy Azy ny Tenin’Andriamanitra araka ny fahatsapany azy .

1-Jesoa loharanom-piainana

Vavolombelona niaina sy nahita an’i Jesoa Kristy i Jaona . Nahita ny asa notanterahin’i Jesoa izy , nahita ny fahafatesany . Koa raha mizara sy mampahafantatra ny Tenin’ Andriamanitra izy noho izany dia te- haneho fa i Jesoa Kristy tena olona .Teny tonga nofo niara-nonina tamin’ny olombelona io Teny io .Nasehon’ Andriamanitra tamin’ny alalan’i Jesoa Kristy ny tena fiainana .Izy no manome fiainana ho an’izay mihaino sy mandray ary mino ny teny nambarany .Araka izany , dia i Jesoa Kristy no Ilay Teny loharanom-piainana . Minoa Azy .Raiso ny Teniny .

2-Teny mitondra fifaliana

Mijoro ho vavolombelona hatrany i Jaona fa marina sy azo antoka ny hafatra ambarny .Tena niara-niaina tamin’i Jesoa Kristy izy , nefa koa noho ny finoany sy ny nadraisany ny fanambarana natolotra azy dia mametraka tanteraka ny fiainany tamin’i Jesoa Kristy izy ka mandray ny fahasoavana avy Aminy sady misitraka fiainam-pifaliana .Tiany mba hanana izany fiainam-pifaliana izany koa ny olona rehetra dia mizara sy mampahafantatra ny Tenin’Andriamanitra tonga oloana tao amin’i Jesoa Kristy izy.Mitaona anao mba hifandray amin’i Jesoa kristy dia hanam-pifaliana ianao.

Fanontaniana:

Inona no tokony hatao mba hahafahana mandray ny tena fiainana kasain’ Andriamanitr ho antsika?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM