Ny teni-vavolombelon’ny Tompo
Mofonaina anio: Alahady, faha 23 Febroary 2020
2 MPANJAKA 23.1-3
2 MPANJAKA 23.1-3
1 [Ny fahazotoan'i Josia handrava ny fivavahana tsy marina sy hanangana indray ny fivavahana amin'i Jehovah, ary ny niadiany tamin'ny Egyptiana, sy ny nahafatesany] Ary nanirahan'ny mpanjaka, ka dia vory tany aminy ny loholon'ny Joda Jerosalema rehetra. 2 Dia niakatra ho ao an-tranon'i Jehovah ny mpanjaka, ary nanaraka azy ny lehilahy rehetra amin'ny Joda sy ny mponina rehetra tany Jerosalema mbamin'ny mpisorona sy ny mpaminany ary ny vahoaka rehetra, na kely na lehibe; ary novakiny teo anatrehany ny teny rehetra tamin'ny bokin'ny fanekena izay hita tao an-tranon'i Jehovah. 3 Ary ny mpanjaka nitsangana teo amin'ny fitoeran'andriana, dia nanao fanekena teo anatrehan'i Jehovah hanaraka Azy sy hitandrina ny lalàny sy ny teni-vavolombelony ary ny didiny amin'ny fony rehetra sy ny fanahiny rehetra, hankatò ny tenin'ny fanekena sy izay voasoratra ao amin'izany boky izany. Ary ny vahoaka rehetra koa dia mba nanaiky ny fanekena.Ny teni-vavolombelon’ny Tompo
1-Ambara amin’ny olona rehetra (and2)
Rehefa hita tao an-tranon’i Jehovah ny bokin’ny lalàna dia novoriana ny mponina rehetra (mpisorona, mpaminany , vahoaka rehetra) tao Jerosalema tamin’ny andron’i Josia mpanjaka mba hahafahan’izy ireo mandre ny voarakitra ao aminy sy hahatsapan’ny vahoaka rehetra ny fahadisoany eo anatrehan’ny lalàn’ Andriamanitra . Aorian’izay , malalaka amin’ny fanapahan-kevitra horaisiny izy ireo na hiverina amin’Andriamanitra (mibebaka) na tsia. Ary izany no mahatonga ny Filazantsara tsy maintsy ambara amin’ny olona rehetra vao tonga ny farany (Mat 24.14). Mametraka safidy eo aminn’y tsirairay ny fandrenesany ny Tenin’Andriamanitra.
2-Safidy ny fankatoavana (and3)
Rehefa voavaky teo anatrehan’ny vahoaka ny bokin’ny lalàna , izay mampifamatotra an’ Andriamanitra amin’ny olona dia naneho ny fahavononany hankato izany teo anatrehan’ny vahoaka i Josia mpanjaka .Raha nandre izany ihany koa ny vahoaka dia nisafidy hankato ny teni-vavolombelona. Safidin’ny tsirairay , ny firenena ny mandray fanapahan-kevitra hankato ny lalàn’Andriamanitra . Raha ny mpitondra no misafidy hankato ny didin’Andriamanitra dia hanaraka azy ny vahoaka ary afaka amin’ny fanamelohana izany firenena izany ka manana fiainana ao amin’i Kristy (Jao 5.24). Koa minoa ny Tenin’i Kristy hanananao fiainana.
Fanontaniana:
Inona no sakana tsy ankatoavanao ny didin’Andriamanitra?
Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM