Ny tena mpitory Filazantsara

Mofonaina anio: Alatsinainy, faha 26 Desambra 2022

ASAN'NY APOSTOLY 4.1-12

ASAN'NY APOSTOLY 4.1-12
1 [Ny namatorana an'i Petera sy Jaona, sy ny nataon'ny Synedriona taminy] Ary raha mbola niteny tamin'ny vahoaka izy, dia, indreo, tonga teo aminy ny mpisorona sy ny lehiben'ny mpiambina ny tempoly ary ny Sadoseo; 2 fa sosotra izy noho ny nampianaran'ny Apostoly ny vahoaka sy ny nitoriany tamin'ny alalan'i Jesosy ny fitsanganana amin'ny maty. 3 Dia nisambotra azy izy ka nanao azy tao an-tranomaizina ambara-pahamarain'ny andro; fa efa hariva ny andro tamin'izay. 4 Kanefa maro tamin'izay nandre ny teny no nino, ka dia tonga tokony ho dimy arivo no isan'ny lehilahy. 5 Ary nony maraina ny andro, dia niangona tany Jerosalema ny mpanapaka sy ny loholona sy ny mpanora-dalàna 6 sy Anasy mpisoronabe sy Kaiafa sy Jaona sy Aleksandro mbamin'izay rehetra mety ho havan'ny mpisoronabe. 7 Ary rehefa nataony teo ampovoany izy roa lahy, dia nanontaniany hoe: Fahefana manao ahoana, na anarana manao ahoana, no nanaovanareo izany? 8 Ary Petera, feno ny Fanahy Masina, dia nanao taminy hoe: Ry mpanapaka ny vahoaka sy loholona, 9 raha adinina izahay anin'ny amin'ny asa tsara natao tamin'ny nahasitranana ilay lehilahy malemy, 10 dia aoka ho fantatrareo rehetra sy ny olona Isiraely rehetra fa ny anaran'i Jesosy Kristy avy any Nazareta, Izay nohomboanareo tamin'ny hazo fijaliana, fa natsangan'Andriamanitra tamin'ny maty kosa, dia Izy no itsanganan'io lehilahy io finaritra eto imasonareo. 11 Ity no vato izay nolavinareo mpanao trano, nefa tonga fehizoro (Sal. 118. 22). 12 Ary tsy misy famonjena amin'ny hafa; fa tsy misy anarana hafa ambanin'ny lanitra nomena ny olona izay hahazoantsika famonjena.

Ny tena mpitory Filazantsara

1-Misedra sakantsakana (and1-12)

Nositranin’iPetera  sy Jaona tamin’ny Anaran’i Jesoa  ilay  lehilahy nalemy  tongotra , izay nangataka teo an-kianjan’ny tempoly.Taorian’izany dia  dia nampianatra  ny vahoaka tao  amin’ny tempoly izy roalahy ka nanambara  fa efa nitsangana tamin’ny maty tokoa i Jesoa .Betsaka no nino ny Tenin’ny Tenin’Andriamanitra izay nambaran’izy ireo (and4).Tsy tantin’ireo  mpisorona sy ny lehiben’ny mpiambina ary ny Sadoseo ny nahita izany rehetra izany ka nahatonga azy ireo  hisambotra azy roaloahy.Noheverin’iretsy farany  fa raha rahonana eo anatrehany izy roalahy  dia hitsahatra sy tsy ho sahy  hanohy  ny asany intsony .Tsarovy  fa ny asa fitoriana ny Filazantsara dia tsy maintsy  hisedrana fabkahalana  sy ny sakantsakana maro samy hafa , nefa koa aoka hivonona amin’izany  ny  mpitory  ka tsy hihemotra .

2-Feno fahasahiana (and8-12)  

 Raha amin’ny maha-olombelona fotsiny dia ho sarotra ny hamaly mazava ny fiampangana satria efa fantany  rahateo  fa ny  fitoriana ny Filazantsaran’i Jesoa Kristy no andrarana sy anton’ny fanamelohana , ka mety hampidi-doza azy roalahy, kanefa  arakaraka ny nandrahonana sy nisamborana azy ireo  no vao mainka nananany  fahasahiana ka nanambarany  mazava fa ny fahefan’i Jesoa no netiny nanasitrana ilay lehilahy  malemy .Sahy izy ireo  satria feno ny Fanahy Masina .Tanteraka teto  ny toky nomen’i Jesoa  hoe : « Koa raha mitondra anareo  hatolotra izy , dia aza manahy rahateo izay holazainareo fa izay teny omena anareo amin’izany ora izany no holazainareo , fa tsy ianareo no hiteny fa ny Fanahy Masina »(Mar 13.11)

Fanontaniana :

Hatraiza ny fahasahian’ny fiangonana mananatra ny mpitondra sy ny manam-pahefana amin’izay tsy mety ataony ?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM