Ny tena mpitory Filazantsara
Mofonaina anio: Asabotsy, faha 31 Desambra 2022
ASAN'NY APOSTOLY 5.29-42
ASAN'NY APOSTOLY 5.29-42
29 Fa Petera sy ny Apostoly namaly ka nanao hoe: Andriamanitra no tokony hekena mihoatra noho ny olona. 30 Andriamanitry ny razantsika efa nanangana an'i Jesosy, Izay novonoin'ny tananareo nahantonareo teo amin'ny hazo. 31 Izy nasandratry ny tanana ankavanan'Andriamanitra* ho Tompo sy Mpamonjy, hanome fibebahana sy famelan-keloka ho an'ny Isiraely. [* Na: nasandratra ho eo an-tanana ankavanan'Andriamanitra] 32 Ary izahay dia vavolombelon'izany zavatra izany, ary ny Fanahy Masina koa, Izay efa nomen'Andriamanitra ny manaiky Azy. 33 Ary raha nandre izany izy, dia lotika ny fony, ka nihendry hamono azy izy. 34 Dia nitsangana teo amin'ny Synedriona ny Fariseo anankiray atao hoe Gamaliela, mpampiana-dalàna, izay nalaza teo amin'ny olona rehetra, ary nasainy navoaka kely ireo olona ireo. 35 Dia hoy izy tamin'ny namany: Ry lehilahy Isiraely, tandremo tsara izay hataonareo amin'ireo olona ireo. 36 Fa nitsangana fahiny Teodasy ka nanao ny tenany ho zavatra; tokony ho efa-jato no isan'ny lehilahy izay niandany taminy; fa novonoina izy ka nihahaka izay rehetra nanaiky azy ka tonga tsinontsinona. 37 Ary nanarakaraka azy indray, tamin'ny andro nanoratana ny vahoaka, dia nitsangana Jodasy avy any Galilia; ary izy nitaona olona hikomy hanaraka azy; dia novonoina koa izy, ka nihahaka izay rehetra nanaiky azy. 38 Ary ankehitriny dia lazaiko aminareo: Mandefera amin'ireo olona ireo, ka avelao ihany izy; fa raha avy amin'olona izao saina na asa izao, dia ho foana; 39 fa raha avy amin'Andriamanitra kosa izao, dia tsy ho azonareo foanana, sao dia miseho ho mpiady amin'Andriamanitra ianareo. 40 Dia nanaiky azy izy; ary rehefa niantso ny Apostoly izy, dia nikapoka azy sady nandrara azy tsy hiteny amin'ny anaran'i Jesosy intsony, ary dia nandefa azy handeha. 41 Ary ireo dia niala teo anatrehan'ny Synedriona, sady faly, satria natao miendrika hitondra fahafaham-baraka ho voninahitr'izany anarana izany. 42 Ary tsy nitsahatra nampianatra sy nitory an'i Jesosy ho Kristy isan'andro teo an-kianjan'ny tempoly sy tao an-trano izy.Ny tena mpitory Filazantsara
Aoka ho fantatsika fa ny tena mpitory ny Filazantsara dia ;
1- Tsy mihemotra manoloana ny sakantsakana
Tezitra ny mpisoronabe mbamin’ny namany raha nahita fa maro ny olona resy lahatra noho ny Filazantsara ka nanapa-kevitra hanara-dia an-dry Petera.Nosamboriny izy ireo ka nataony tao an-tranomaizina,nefa nony alina dia nisy anjelin’ny Tompo namoha ny varavaran’ny fonja ka namoaka azy taorian’izay dia mbola nanohy nampianatra teo an-kianjan’ny tempoly indray ireo Apostoly na dia efa norarana mafy aza (and28) . Ny tena mpitory ny Filazantsara dia tsy mihemotra manoloana ny sakantsakana samihafa . » Iza no hahasaraka antsika amin’ny fitiavan’i Kristy? fahoriana va sa fahantrana sa fanenjehana sa mosary sa fitanjahana sa loza sa sabatra ? » (Rom 8.35)
2- Andriamanitra ihany no ankatoaviny fa tsy olona
Tsy midika akory izany fa tokony hanohitra ny mpitondra sy ny manam-pahefana ny mpino.Ambaran’ny Soratra Masina aza fa tokony hanaja ny mpanapaka sy ny mpifehy ny mpino (1Pet 2.13,14/Rom 13.1-3),saingy ambara koa fa adidy tsy maintsy efaina eo anatrehan’Andriamanitra ny asa fitoriana ny Filazantsara ka na inona na inona ,ary na iza na iza hisakana izany dia tsy maintsy toherina amin’ny Anaran’i Jesoa .Izany no nilazan’ny Apostoly Paoly hoe : « Andriamanitra no tokony hekena mihoatra noho ny olona » (and 29). Nohararaotin’i Petera tamin’io fotoana io nanadihadiana azy io ny fanambarana ny amin’ i Jesoa izay notoriany ka vao mainka sanganehana ireto mpisakana . « Fa raha mitory ny Filazantsara aho,dia tsy misy ho reharehako,satria tsy maintsy manao izany,fa lozako raha tsy mitory ny Filazantsara aho« (1Kor 9.16)
Fanontaniana:
Inona no sakana efa nolalovanao noho ny fanarahana an’i Kristy ?
Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM