Ny tena mpanompon’i Kristy

Mofonaina anio: Talata, faha 05 Septambra 2023

Galatiana 1.6-12

Galatiana 1.6-12
6 [Fananarana ny Galatiana noho ny fivadibadihany, sy ny fanambarana ny mah'Apostoly an'i Paoly] Gaga aho, raha mifindra faingana toy izao ianareo hiala amin'izay efa niantso anareo tamin'ny fahasoavan'i Kristy ho amin'ny filazantsara hafa, 7 izay tsy filazantsara akory*, fa saingy misy ny sasany mampitabataba anareo ka ta-hamadika ny filazantsaran'i Kristy. [* Gr. anankiray koa] 8 Fa na izahay, na anjely avy any an-danitra aza, no mitory filazantsara hafa aminareo afa-tsy* izay efa notorinay taminareo, aoka ho voaozona** izy. [* Na: manohitra] [** Gr. anatema] 9 Araka ny voalazanay fahiny no lazaiko indray ankehitriny: Raha misy olona mitory filazantsara hafa aminareo, afa-tsy izay efa noraisinareo, aoka ho voaozona* izy, [* Gr. anatema] 10 Ary ankehitriny, olona va no ilako fitia, sa Andriamanitra? Sa mila sitraka amin'olona aho? Raha mbola mila sitraka amin'olona aho, dia tsy mpanompon'i Kristy. 11 Fa ampahafantariko anareo, ry rahalahy, ny amin'ny filazantsara izay notoriko, fa tsy araka ny fanaon'ny olona izany. 12 Fa izaho tsy nandray azy tamin'olona, ary tsy mba nampianarina aho, fa tamin'ny fanambaran'i Jesosy Kristy ihany.

Ny tena mpanompon’i Kristy

1-Tsy mila sitraka aman’olona

«Raha mbola mila sitraka aman ‘olona aho dia Isy mpanompon’i Filazantsara tao Galatia no nalaky niova famindra ho amin’ ny Kristy» (and. 10d). Misy tamin ‘ireo mpino izay nitoriana ny filazantsara hafa. Misy amin’izy ireo tratry ny henatra amin’ ireo mason’olona fotsiny, variana mijery tsangan’olona ka miala amin’ny fampianarana fototra. Mampalahelo ny mahita ireo izay voasariky ny fitiavam-bola. Tsy maintsy mifidy isika mpitory Filazantsara na hifantoka amin’i Jesoa irery ihany na sanatria hisafidy fampianaran’olombelona izay lavitry ny fahamarinana sady tsy araka ny voalazan’ny Soratra Masina.

2- Mpitory an’i Jesoa Kristy

«Fa ampahafantariko anareo ry rahalahy, ny amin ‘ny filazantsara İzay notoriko, fa tsy araka ny fanaon ‘ny olona izany» (and. I1). Mifantoka tanteraka amin’ny fanambaran’ i Jesoa Kristy ihany ny Filazantsara torian’i Paoly.Izay rehetra tsy mifanaraka amin’ ny fanar baran’i Jesoa Kristy dia fampianaran-diso avokoa. Manana fahefana hanitsy izay diso, izay tsy mifanaraka amin’ny sitrapon’ny Tompo ny mpino. Izay fampianarana manaiky an’i Jesoa avy any Nazareta, Ilay nohomboana tamin’ny hazo fijaliana, maty ka nalevina, nitsangana tamin’ny maty, ary niakatra any an- danitra, Ilay mifona sy mivavaka ho antsika no « tsindrimandrin’ Andriamanitra, mahasoa ho fampianarana, ho fanitsiana izay diso« , araka ny voasoratra ao amin’ny 2Tim 3. 16. Jesoa Tompo no torio sy ambarao!

Fanontaniana:

Inona avy ireo mampiavaka ny tena mpanompon ‘Andriamanitra?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM