Ny tena mpanompon’Andriamanitra

Mofonaina anio: Alahady, faha 11 Septambra 2022

Ny tena mpanompon’Andriamanitra

1-Miaritra fanenjehana mafy noho ny amin’i Kristy

Olo-malazan’ny Baiboly i Stefana , niharan’ny fanenjehana izay niafara tamin’ny fahafatesana izy . Tsy izy ihany fa hatramin’ny Fiangonana tao Jerosalema koa. Anisany mpandray tamin’ny fanenjehana i Saoly izay nanao tsinotsinona ny fiangonana ka nampiditra ny olona tao am-ponja (and3).Mampahatsiaro ny fiainan’i Jesoa fony izy mbola teto an-tany izany . Nenjehina ary novonoina ho faty . Ny tsy fanekena an’i Jesao ho Mesia no antony nanenjehan’ny tsy mino Azy . Aza gaga ianao raha misy ny fanenjehana satria i Jesoa efa nilaza hoe : « Aty amin’izao tontolo izao no hahitanareo fahoriana , nefa matokia fa Izaho efa naharesy izao tontolo izao «  (Jao 16.33) . Vao maika àry tokony hifaly ianao satria « Sambatra izay enjehina noho ny fahamarinana« (Mat 5.10)

2-Mitory an’i Kristy

Ny vahoaka izay aparitaka , niely teny amin’ny tany Jodia sy Samaria dia nitory an’i Kristy (and4).Hita miharihary eto ny fahitan’ny Fiangonana fa tsy mijanona tao Jerosalema ihany . Ny fanenjehana izay noheverina fa hampihemotra sy handrava ny finoana an’iKristy dia vao maika mampiroborobo ny asa fitoriana an’iKristy (Filazantsara) izay tena antom-pisian’ny Fiangonana. Ny tena mpanompon’Andriamanitra dia tsy voafatotry ny tahotra , vonona hanambara ny vaovao mahafaly .Baikon’iJesoa ny hoe: « Mandehana any amin’izao tontolo izao hianareo ka mitoria ny Filazantsara amin’ny olombelona rehetra  » ( Mar 16.15).Mazotoa hatrany amin’ny asa fitoriana , na eo aza ny sakatsakana maro .

3-Manao asa mahagaga

Ny famoahana fanahy maloto sy fanasitranana maro dia taratry ny asa nataon’i Jesoa .Omban’Andriamanitra ny mpanompony ka mahavita fahagagana maro . Ny fandrenesana sy fahitana ny asa mahagaga dia nitondra fifaliana tao an-tanàna.ny zavatra rehetra dia hain’ny mino , ianao no fitaovana eo am-pelatànan’ Andriamanitra .

Fanontaniana:

Manao ahoana ny fahazotoanao amin’ny asa fitoriana?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM