Ny tena Mpaminany marina
Mofonaina anio: Alakamisy, faha 07 Mey 2020
EZEKIELA 11.1-12
EZEKIELA 11.1-12
1 [Filazana ny amin'ny loza hanjo, sy fampanantenana ny famindram-po] Ary nisy fanahy* nanainga ahy koa, dia nitondra ahy ho eo amin'ny vavahady atsinanana amin'ny tranon'i Jehovah, dia ilay manatrika ny atsinanana; ary, indreo, nisy olona dimy amby roa-polo lahy teo anoloan'ny vavahady; dia hitako teo amin'ireo Jazania, zanak'i Azora, sy Pelatia, zanak'i Benaia, lehiben'ny vahoaka.[Na: rivotra] 2 Dia hoy Izy tamiko: Ry zanak'olona, ireo no lehilahy izay mamoron-tsain-dratsy sady manolo-tsain-dratsy eto amin'ity tanàna ity, 3 dia izay manao hoe: Mbola lavitra ny hanaovana trano; ity tanàna ity no vilany, ary isika no hena; 4 ka dia maminania hamely azy, eny, maminania, ry zanak'olona. 5 Ary tonga tao amiko ny Fanahin'i Jehovah, ka hoy Izy tamiko: Lazao hoe: Izao no lazain'i Jehovah: Izany no fiteninareo, ry taranak'Isiraely, ary fantatro izay rehetra ao an-tsainareo. 6 Hianareo efa nahamaro ny voavononareo teto amin'ity tanàna ity, ary ny lalambeny efa nofenoinareo faty. 7 Koa izao no lazain'i Jehovah Tompo: Ny voavononareo, izay nataonareo tao aminy, no hena, ary ity tanàna ity no vilany; nefa havoaka avy ao aminy ianareo. 8 Natahotra ny sabatra ianareo; nefa hataoko mahatratra anareo ihany ny sabatra, hoy Jehovah Tompo. 9 Ary havoakako avy ato aminy ianareo ka hatolotro ho eny an-tànan'ny hafa firenena, ary hanao fitsarana aminareo Aho. 10 Ho lavon'ny sabatra ianareo; any amin'ny sisin-tanin'ny Isiraely no hitsarako anareo, ka dia ho fantatrareo fa Izaho no Jehovah. 11 Ity tanàna ity tsy ho vilaninareo, ary ianareo tsy ho hena ato anatiny; fa any amin'ny sisin-tanin'ny Isiraely no hitsarako anareo 12 ka dia ho fantatrareo fa Izaho no Jehovah, satria tsy nandeha araka ny lalàko ianareo na nanaraka ny fitsipiko, fa araka ny fitsipiky ny jentilisa izay manodidina anareo ihany no nataonareo.Ny tena Mpaminany marina
1-Sahy manambara ny fahadisoan’ny olona
« Maminania ny hamelezana azy , eny maminania ry zanak’olona »(and4).Tsy voatery ho izay mahafaly sy mahametimety ny sofin’ny mpihaino ihany akory no tsy maintsy ambaran’ny mpaminanin’ Andriamanitra . Nihevi-tena ho milamina sy tsy ho tratry ny faharavana mihitsy ireo mpitondra tamin’ny andron’i Ezekiela , na dia ninia nanota aza .Ny Fanahin’ Andriamanitra izay tonga tao amin’i Ezekiela no nampahalalany ny haratsian-toetran’ireto loholona mpitondra vahoaka ireto sady naniraka azy hilaza ny fahotany: » Hianareo efa nahamaro ny voavononareo teto amin’ity tanàna ity , ary ny làlam-beny efa nofenoinareo faty »(and6) .Tsy mora ny milaza zavatra toy izany , sady loholona mpitondra vahoaka no hitondrana hafatra.Ny tena mpaminany sahy manambara mazava ny hafatry ny Tompo , na amin’ny mora na amin’ny sarotra.
2-Mampahalala an’i Jehovah
Tsy ny manambara ny fahadisoan’ny olona ihany no asan’ny Mpaminany , fa eo indrindra koa ny fananarana azy sy ny fanaovana izay hanekeny fa Jehovah ny Tompo .Mampandinitena sy mampitodika amin ny zava-misy ankehitriny ny hafatra ampitondraina ny mpaminany eto , satria ao anatin’ny fandringanana sy ny fahavoazana no hanehoan’Andriamanitra ny maha-Tompo Azy sy hampanekeny ny olony. Rehefa mihatra aminn’y olony ny fitsarany dia hiaiky ireo fa Izy tokoa noTompo … »Ho lavon’ny sabatra ianareo , any amin’ny sisi-tanin’Israely no hitsarako anareo , ka dia ho fantatrareo fa Izaho no Jehovah » (and10).
Fanontaniana:
Miandry famaizana ve isika vao hanaiky an’i Jesoa hoTompo sy Mpamonjy ?
Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM