Ny tena harena: izay maharitra any an-danitra

Mofonaina anio: Alakamisy, faha 13 Jona 2024

Lioka 12. 13-21

Lioka 12. 13-21
13 Ary nisy anankiray teo amin'ny vahoaka nanao tamin'i Jesosy hoe: Mpampianatra ô, teneno ny rahalahiko mba hizara lova amiko. 14 Fa hoy Izy taminy: Ralehilahy, iza no nanendry Ahy ho mpitsara na mpizara ao aminareo? 15 Ary hoy Izy tamin'ny olona: Mitandrema, ka miarova tena mba tsy ho azon'ny fieremana ianareo; fa ny ain'ny olona tsy miankina amin'ny habetsahan'ny zavatra ananany. 16 Dia nanao fanoharana taminy Izy ka nanao hoe: Ny tanin'ny lehilahy manan-karena anankiray nahavokatra be. 17 Ary izy nihevitra tao am-pony hoe: Ahoana no hataoko, fa tsy manana fitoerana hamoriako ny vokatro aho? 18 Ary hoy izy: Izao no hataoko: handrava ny trano fitehirizako aho ka hanao izay lehibebe kokoa, ary ao no hamoriako ny variko rehetra sy ny fananako. 19 Dia hilaza amin'ny fanahiko hoe aho: Ry fanahy ô, manana fananana be voatahiry ho amin'ny taona maro ianao; mitsahara, mihinàna, misotroa, mifalia. 20 Fa Andriamanitra kosa nanao taminy hoe: Ry adala, anio alina no halaina aminao ny fanahinao, ka ho an'iza izay zavatra noharinao? 21 Toy izany izay mihary harena ho an'ny tenany ihany, nefa tsy mba manan-karena ny amin'Andriamanitra.

Ny harena maharitra no tsara katsahina mialohan’ny harena hafa. Tsy misy olona tsy manana faniriana ny hanan-karena, fa ny mahadiso ilay lehilahy ity dia ny nanaovany ho zava-dehibe ny haren’ny tany. Noheveriny fa tompon’ny aina izy ka afaka ny hamaritra ny fotoana izay hahafatesany. Heveriny fa tsy maintsy antitra be efa afa-po amin’ny harena sy vola vao afaka ny ho faty. Tsy izany anefa no nitranga. Indroa nahita fahavoazana, satria ilay harena nandreraka tsy mba nisitrahany akory, ny hafa no nisitraka azy, ny fiainana mandrakizay koa tsy voaantoka. Raha mety izay atao dia tena atao mihintsy izay hahatomombana ny fahavelomanan’ny ankohonana. Avy eo indray rehefa mahatsiaro mitoetra amin’ny trano tsara tarehy dia mihevitra indray ny toerana rehefa maty ka manao fasana. Vitsy ihany anefa ny olona no mihevitra ny hoavin’ny fanahy nefa efa fantatra fa tsy mitoetra ao am-pasana ny fanahy, ary ny nofo tsy hotsaraina fa ny fanahy no hiatrika fitsarana.

Ankoatra izay ny fihazakazahana hitady harena be dia be koa anefa matetika, dia manohitra ny Sitrapon’Andriamanitra, ny fahazoana harena betsaka eto an-tany kanefa tsy mahazo ny lanitra, satria ny lalana nitadiavana harena teto an-tany dia nampivily ny lalana ho any amin’ny fiainana mandrakizay. Ny fikatsahana ny harena any an-danitra anefa dia tsara kokoa raha atao mialoha, atao izany amin’ny alalan’ny fanoavana ny didin’ Andriamanitra ny mba hitiavana ny namana tahaka ny tena, izany hoe manao asa soa. Ny olona voavonjy dia mahatsiaro manao asa soa satria fanaon’ny olona voavonjy izany, fa tsy hoe hanao soa mba ho voavonjy. Hoy i Jesoa ao amin’ny Matio 6. 21: « fa izay itoeran’ny harenao dia ho any koa ny fonao ».

Fanontaniana

Efa voaomana ve ny harenao any an-danitra?

Sampana Sekoly Alahady Foibe