Ny tena fivavahana marina

Mofonaina anio: Alarobia, faha 04 Mey 2022

JAONA 4.19-24

JAONA 4.19-24
19 Hoy ravehivavy taminy: Tompoko, hitako fa mpaminany Hianao. 20 Ny razantsika nivavaka teto amin'ity tendrombohitra ity; fa ianareo kosa milaza fa any Jerosalema no tokony hivavahana. 21 Hoy Jesosy taminy: Ravehivavy, minoa Ahy, fa avy ny andro ka tsy amin'ity tendrombohitra ity, na any Jerosalema aza, no hivavahanareo amin'ny Ray. 22 Hianareo mivavaka amin'izay tsy fantatrareo; izahay kosa mivavaka amin'izay fantatray, satria avy amin'ny Jiosy ny famonjena. 23 Fa avy ny andro*, sady tonga ankehitriny, raha ny tena mpivavaka hivavaka amin'ny Ray amin'ny fanahy sy ny fahamarinana; fa ny Ray koa mitady ny mpivavaka aminy ho tahaka izany. [*Gr. ora] 24 Andriamanitra dia Fanahy; ary izay mivavaka aminy tsy maintsy mivavaka amin'ny fanahy sy ny fahamarinana.

Ny tena fivavahana marina

1-Tsy voafetra ho amin’ny toerana tokana

Nandritra ny fotoana ela no ninoan’ny Jiosy fa misy ny toerana voatokana hivavahana sy hihaonana amin’Andriamanitra . Anisan’ny nalaza tamin’izany ny Tempoly sy ny tendrombohitra masina .Ny Jiosy dia nino fa any an-tendrombohitra Ziona , any Jodia no tokony hivavahana Aminy . Ny Samaritana koa dia nihevitra fa any an-tendrombohitra Gerizima any Samaria no tokony hivavahana sy hihonana amin’Andriamanitra.Ambaran’i Jesoa fa tsy ny toerana ivavahana no zava-dehibe fa ny fomba sy ny toe-panahy entina manatanteraka azy .Hoy i Jesoa : »… fa avy ny andro ka tsy amin’ity tendrombohitra ity na any Jerosalema aza no ivavahanareo amin’ny Ray ... »(and21) . Na aiza na aiza no iantsoana Azy dia manatrika antsika feno Andriamanitra .

2-Vavaka atao amin’ny fitarihan’ny Fanahy Masina

« Andriamanitra dia Fanahy , ary izay mivavaka aminy tsy maintsy mivavaka amin’ny fanahy sy ny fahamarinana » (and24).Ny tena mpivavaka marina dia izay manaiky ny fitarihan’ny Fanahy Masina amin’ny fivavahana izay ataony , ka mifantoka tanteraka amin’ny fankalazana an’ Andriamanitra am-panahy sy araka ny fahamarinana , izany hoe: amin’ny fahatsoram-po .Matetika ny fombafombam-pivavahana no hanadinoan’ny olona ny tena vontoatiny , dia ny finoana ny fanatrehan’Andriamanitra .Ny olona tena mivavaka dia tsy maintsy mino ny fanatrehany .Ny olona tena mivavaka dia tsy maintsy mino ny fanatrehany , raha vao miantso Azy ary izany finoana izany no mitarika azy ho amin’ny fabomezamboninahitra sy ny fanajana Azy . »Fa izay manatona an’Andriamanitra dia tsy maintsy mino fa misy Izy sady Mamaly soa izay mazoto mitady Azy… » (Heb 11.6)

Fanontaniana :

Raha izany , nahoana no lazaina fa tena ilaina ny fankanesana any am-piangonana ?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM