Ny tena fitiavana
Mofonaina anio: Talata, faha 02 Jona 2020
MIVAVAHA AO AMIN'NY TOMPO
1 JAONA 4.7-11
7 Ry malala, aoka hifankatia isika; fa avy amin'Andriamanitra ny fitiavana, ary Izay rehetra tia no naterak'Andriamanitra sady mahalala an'Andriamanitra. 8 Izay tsy tia dia tsy mba mahalala an'Andriamanitra; fa Andriamanitra dia fitiavana. 9 Izao no nanehoana ny fitiavan'Andriamanitra antsika: Andriamanitra naniraka ny Zanani-lahy Tokana tamin'izao tontolo izao, mba hahavelona antsika amin'ny alalany. 10 Izao no fitiavana: tsy ny nitiavantsika an'Andriamanitra fa ny nitiavany antsika, ka nirahiny ny Zanany ho avotra'noho ny fahotantsika. 11 Ry malala, raha izany no nitiavan'Andriamanitra antsika, dia mba tokony hifankatia kosa isika.Ny tena fitiavana
Jaona Apostoly dia ambaran’ny mpandinika maro fa Apostolin’ny fitiavana .Tena vontoatin’ny hafatr’i Jaona ny amin’ny fitiavan’Andriamanitra . Azo lazaina ho ivon’ny asa sorany io fitiavana io. Ny tena fitiavana amin’i Jaona dia :
1-Fitiavana an’Andriamanitra aloha (and10)
Tia antsika Andriamanitra ka nomeny Jesoa ho antsika ho marik’ izany fitiavany izany . Ny fitiavan’ Andriamanitra rahateo no nialoha ny fitiavantsika Azy . Fitiavana miseho amin’ny alalan’ny asa fa tsy zavatra nolazaina fotsiny . Miseho amin’ny famonjena antsika tamin’ny alalan’i Jesoa Kristy izany . Araka izao fampianaran’i Jaona izao , tena azo tsara ny manaporofo ny fitiavana amin’ny asa . Azo atao tsara ny maneho ho hita maso ny fitiavana izay tsy hita maso . Izay mahatsapa io fitiavan’ Andriamanitra io no ho tia an’Andriamanitra koa . Jesoa dia tena tia an’ Andriamanitra Rainy noho Izy nahatsiaro ho tena tian’Andriamanitra .
2-Fitiavana ny namana koa (and11)
Ny fitiavan’Andriamanitra antsika dia tsy maintsy miteraka fitiavana ny namana .Raha misy milaza ny tenany ho manana ny fitiavan’ Andriamanitra ao aminy na mahatsapa ho tian’Andriamanitra dia miseho amin’ny fitiavany ny namany izany . Raha tsy mety tia ny namantsika isika dia tsy manana ny fitiavana an’Andriamanitra . Azo atao tsara anefa ny mangataka io fitiavan’ Andriamanitra io mba hitiavana ny namana . Ao amin’i Jesoa rahateo io tena fitiavana avy amin’ Andriamanitra io . Izany no nahatonga an’i Jesoa ho afaka nitia ny olona rehetra teto amin’izao tontolo izao .
Fanontaniana:
Amin’ny fomba ahoana no hahatongavana amin’ny fitiava-namana marina?
Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM