Ny tena fitiavana

Mofonaina anio: Alakamisy, faha 11 Jona 2020

GENESISY 45.1-14

GENESISY 45.1-14
1 Ary Josefa tsy nahatsindry ny fangorakoraky ny fony intsony teo anatrehan'izay rehetra teo aminy; dia niantso izy ka nanao hoe: Avoahy ny olona rehetra hiala eto amiko. Ary dia tsy nisy olona na dia iray aza nijanona teo amin'i Josefa, raha nanao izay hahafantaran'ny rahalahiny azy izy. 2 Dia nitomany mafy izy, ka ren'ny Egyptiana, ary ren'ny tao an-tranon'i Farao koa. 3 Ary hoy Josefa tamin'ny rahalahiny: Izaho no Josefa; mbola velona ihany va ikaky? Ary tsy nahavaly azy ny rahalahiny; fa toran-kovitra teo anatrehany ireo. 4 Ary hoy Josefa tamin'ny rahalahiny: Avia, manatòna ahy ianareo. Dia nanatona ireo. Ary hoy Josefa: Izaho no Josefa rahalahinareo, ilay namidinareo ho at? Egypta. 5 Ary ankehitriny, aza malahelo na tezitra amin'ny tenanareo noho ny nivarotanareo ahy ho at?; fa hamonjy aina no nampandehanan'Andriamanitra ahy hialoha anareo at?. 6 Fa roa taona izao no efa nisian'ny mosary teto amin'ny tany; ary mbola misy dimy taona koa, izay tsy hisy hiasan-tany na hijinjana. 7 Ary Andriamanitra efa nampandeha ahy hialoha anareo, mba tsy hahalany taranaka anareo amin'ny tany, fa hamelona anareo amin'ny famonjena lehibe. 8 Ary amin'izany, tsy ianareo no nampandeha ahy ho at?, fa Andriamanitra; ary Izy nanao ahy ho rain'i Farao, sy ho tompon'ny ao an-tranony rehetra, ary ho mpanapaka ny tany Egypta rehetra. 9 Andeha miakatra faingana ianareo ho any amin'ikaky, ka lazao aminy hoe: Izao no tenin'i Josefa zanakao: Efa nataon'Andriamanitra ho tompon'i Egypta rehetra aho; ka midìna hankat? amiko, fa aza mijanona; 10 dia honina eo amin'ny tany Gosena ianao, ka ho eo akaikiko ianao sy ny zanakao sy ny zafinao ary ny ondry aman'osinao sy ny ombinao mbamin'izay rehetra anananao. 11 Dia hamelona anao eo aho (fa mbola haharitra dimy taona ny mosary), fandrao ho lany harena ianao sy ny ankohonanao ary izay rehetra anananao. 12 Ary, indro, hitan'ny masonareo sy ny mason'i Benjamina rahalahiko izao fa ny vavako no miteny aminareo. 13 Dia hambaranareo amin'ikaky ny voninahitro rehetra at? Egypta sy izay rehetra efa hitanareo; koa mandehana faingana ianareo, ka ento midina at? ikaky. 14 Dia namihina ny vozon'i Benjamina rahalahiny izy ka nitomany; ary Benjamina koa dia mba nitomany teo amin'ny vozony.

Ny tena fitiavana

Mitantara ny fomba nihaonan’ i Josefa tamin’ireo rahalahiny nivarotra azy ho andevo izao mofonaina izao .Tantara izay maneho amintsika ny fitiavan’i Josefa ny rahalahiny .Fa ny tena fitiavana mantsy dia :

1-Miseho amin’ny fahaiza-mamela heloka (and1-5)

Rehefa nahita ny fahantran’ireto rahalahiny Josefa dia nitomany. Teo anatrehan’izany dia antra azy ireo izy ka navelany ny helony .Ary tsy navelany nanamelo-tena akory aza ireto rahalahiny . Be fitiavana koa isika rehefa tena mahavita mamela ny hafa na dia mavesatra sy mafy aza no nampitondrainy antsika .Izay manana ny fitiavan’Andriamanitra no mahavita izany . Andriamanitra izay namela ny helontsika tamin’ny alalan’i Jesoa Kristy teo aminn’y hazo fijaliana . »Fa ny fitiavana manarona ny ota rehetra » (Oha 10.12). Angataho amin’i Jesoa ny tena fitiavana ho enti-mitia ny hafa.

2-Mahatakatra ny fitondran’ Andriamanitra (and7-14)

Noho ny fitiavana be tao amin’i Josefa dia takany ny fandaharan’Andriamanitra .Fantany fa raha tsy namidy ho andevo izy tsy tonga tanyEgypta , ary tsy ho afa-namonjy ny rahalahiny. Nekeny izao fandaharan’Andriamanitra ny fiainany izao . Io fahatakarana ny sitrapon’Andriamanitra io no nanampy azy hamela heloka ireto rahalahiny .Na inona tranga misy eo amin’ny fiainana, fantaro ny sitrapon’Andriamanitra , ny fahatakarana ny sitrapony no hanekentsika ny tranga mahazo antsika. Ary amin’izany dia tsy manome tsiny na iza na iza ka tonga fitahiana ho an’ny hafa isika .Jesoa dia tena nanaiky ny sitrapon’ Andriamanitra raha teto amin’izao tontolo izao , ka tonga fitahiana ho an’ny olona rehetra .

Fanontaniana:

Inona avy no endrina isehoan’ny tena fitiavana?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM