Ny tena finoana marina
Mofonaina anio: Alakamisy, faha 11 Mey 2023
2 PETERA 1.16-21
2 PETERA 1.16-21
16 Fa tsy nanaraka izay anganongano noforonin'ny fahafetsen'ny saina izahay, raha nampahafantatra anareo ny hery sy ny fihavian'i Jesosy Kristy Tompontsika; fa efa hitan'ny masonay ny fiandrianany. 17 Fa nahazo laza amam-boninahitra tamin'Andriamanitra Ray Izy, raha tonga teo aminy avy tamin'ny voninahitra lehibe indrindra ilay feo nanao hoe: "Ity no Zanako malalako izay sitrako" (Mat. 17.5). 18 Ary renay io feo avy tany an-danitra io, raha niara-nipetraka taminy tany an-tendrombohitra masina izahay. 19 Ary manana ny teny faminaniana atao mafy orina kokoa isika; koa raha mandinika izany ianareo, dia manao tsara, fa toy ny jiro mahazava ao amin'ny fitoerana maizimaizina izany, mandra-pahazavan'ny andro, ka miposaka ao am-ponareo ny fitarik'andro; 20 fa fantatrareo voalohany indrindra fa ny famoahan-kevitry ny faminaniana ao amin'ny Soratra Masina dia tsy efan'ny fisainan'ny olona fotsiny ihany; 21 fa tsy nisy faminaniana avy tamin'ny sitrapon'ny olona tany aloha rehetra; fa avy tamin'Andriamanitra no nitenenan'ny olona araka izay nitondran'ny Fanahy Masina azy.Ny tena finoana marina
Isika kristiana dia mila mahay manavaka ny tena finoana marina manoloana ny fisian’ny mpaminany sandoka .
1-Miorina amin’ny fanambarana an’i Jesoa Kristy
Niely teo anivon’ny fiaraha-monina kristiana ny fampianaran-diso izay mety hanozongozona ny fampianarana marina momba an’i Jesoa Kristy Tompo sy Mpamonjy .Izany toe-javatra izany no anisan’ny antony nanoratana ity epistily ity, ho fiarovana ny finoan’ny kristiana sy ho fampiorenana tsara ny finoany ka hananany fanantenana ny amin’ny fiverenan’i Kristy indray. Ny fijoroana ho vavolombelona ny amin’izay efa hitany sy tsapany mikasika an’i Jesoa no nataon’i Petera ho fanoherana izany .Izay rehetra efa nahita sy nahatsapa ny fanatrehan’i Jesoa azy teo amin’ny fiainany no afaka hijoro sy hanambara ny finoana marina. »Fa efa hitan’ny masonay ny fiandrianany …ary renay io feo avy tany an-danitra io ,raha niara-nipetraka taminy tany an-tendrombohitra masina zahay » (and16-18)
2-Miorina amin’ny Soratra Masina (and 19-21)
« Fa tsy nanaraka izay anganongano noforonin’ny fahafetsen’ny saina izahay … »(and16). Ambaran’i Petera ny maha-zava-dehibe ny Soratra Masina eo amin’ny fampiorenam-pinoana marina.Tsy avy amin’ny fahalalan’ny mpanoratra na ny fisainany manokana ,hoy izy ny faminaniana ao amin’ny Soratra Masina ,fa avy amin’Andriamanitra eo ambany fitarihan’ny Fanahy Masina . Ny Soratra Masina irery ihany no hany làlana tokana sady marina mitondra ho amin’ny finoana an’i Jesoa Kristy . Ny Soratra Masina irery ihany no anovozan’ny kristiana ny finoany ka handavany ny fampianaran-diso samihafa .Ny Soratra Masina no manambara an’i Kristy ,hery sy fahendren’Andriamanitra .
Fanontaniana :
Inona no atao hoe: « mpaminany sandoka »
Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM