Ny tena finoana.

Mofonaina anio: Alahady, faha 22 Septambra 2024

Filemona 1. 4-7

Filemona 1. 4-7
4 Misaotra an'Andriamanitro mandrakariva aho, raha mahatsiaro anao amin'ny fivavahako, 5 satria reko ny fitiavanao sy ny finoana* izay anananao ho an'i Jesosy Tompo sy ho an'ny olona masina rehetra, [* Na: ny finoanao] 6 mba hiasa mafy ho an'i Kristy ny fiombonana avy amin'ny finoanao amin'ny fahalalana tsara ny zavatra rehetra izay ao anatinareo. 7 Fa nanana fifaliana sy fiononana amin'ny fitiavanao aho, satria efa novelombelominao ny fon'ny olona masina, ry rahalahy.

Ny tena finoana.

Manamarika ny tonom-bavak’i Paoly Apostoly ho an’i Filemona eto ny fanehoany fa i Filemona, ilay isan’ny mpitarika Fiangonana tany Kolosia dia nanana finoana. Izany finoany izany dia:

1- Miorina mafy ao amin’ny Jesoa Kristy (and 5)

Isany nampiavaka ny toetry ny Fiangonana tao Kolosia ny finoan’izy ireo an’i Jesoa sy ny fitiavana nananany rehefa nandray ny Filazantsara izy ireo (Kol 1. 3-8). Mbola hamafisin’i Paoly Apostoly ny filazana izany eto. Ny finoana toy izany no tian’ny Tompo iorenantsika. Ny hoe: « miorina ao amin’n’i Jesoa Kristy », dia mino fa izy ilay maty ho famonjena antsika kanefa velona mba hampandresy antsika, izy « ilay Tompon’ny finoantsika sy mpanefa azy » (Heb 2.2a)

2- Mitondra fiombonana (and 6)

Fiarahamonina nanjakan’ny fifahasamihafana sy fanavahana no nisy tany Kolosia tamin’ny fotoan’andro. I Filemona sy ireo Fiangonana kosa dia efa nanana ezaka ho amin’ny fiombonana. Izany fiombonana izany dia vokatry ny fitiavana an’i Jesoa, ary nanafoana ireo efitry ny fisarahana teo amin’ny Fiangonana. Mbola ampirisihan’i Paoly handeha lavidavitra kokoa ny amin’izany izy eto, mba hamelombelona ny fon’ny vahoakan’ Andriamanitra ny finoana ananany. Ry havana, finoana miteraka famelombelomana toy izany no andrasan’ny Tompo amintsika, « Miorena tsara, aza miova » (1Kor 15.58)

Fanontaniana:

Manao ahoana fiorenan’ny finoanao an’i Jesoa?

Sampana Sekoly Alahady Foibe