Ny tena fihavanana marina ao amin’ny Tompo

Mofonaina anio: Alatsinainy, faha 01 Jona 2020

MIVAVAHA AO  AMIN’NY TOMPO

ROMANA 12.9-21
9 Aoka ny fitiavana ho amin'ny tsi-fihatsaram-belatsihy; mankahalà ny ratsy; mifikira amin'ny tsara. 10 Mifankatiava araka ny fifankatiavan'ny mpirahalahy; mitariha lalana amin'ny fifanomezam-boninahitra. 11 Mazotoa, fa aza malaina, ary aoka hafana fo amin'ny fanompoana ny Tompo. 12 Mifalia amin'ny fanantenana; miareta amin'ny fahoriana; mahareta amin'ny fivavahana. 13 Miantrà ny olona masina araka izay ilainy; mazotoa mampiantrano vahiny. 14 Misaora izay manenjika anareo; misaora, fa aza manozona. 15 Miaraha mifaly amin'izay mifaly, ary miaraha mitomany amin'izay mitomany. 16 Miraisa saina. Aza mihevitra izay hiavonavonana, fa aoka mba ho zatra amin'ny fietrena ianareo*. Aza manao ny tenanareo ho hendry. [* Na: manetre tena amin'ny malahelo] 17 Aza mamaly ratsy na amin'iza na amin'iza. Miomàna hanao izay mahamendrika eo imason'ny olona rehetra. 18 Raha azo atao, dia ataovy izay hihavananareo amin'ny olona rehetra. 19 Ry malala, aza mamaly ratsy, fa omeo lalana ny fahatezerana; fa voasoratra hoe: Ahy ny famaliana; Izaho no hamaly, hoy Jehovah (Deo. 32. 35). 20 Fa raha noana ny fahavalonao, omeo hanina izy; raha mangetaheta izy, omeo hosotroiny; fa raha manao izany ianao, dia hanambatra vainafo ho eo an-dohany (Oha. 25. 21, 22). 21 Aza mety ho resin'ny ratsy ianao, fa reseo amin'ny soa ny ratsy.

Ny tena fihavanana marina ao amin’ny Tompo

Toromarika sy toro-làlana omen’i Paoly  izao  mofonaina raisintsika anio  izao mba hahatsara ny fifandraisan’ny samy kristiana .Ny fihavanana ao amin’ny Tompo  dia :

1-Marina sy madio (and 9,10)

Asain’I Paoly  mifandray  toy ny mpirahalahy  ny Kristiana. Mpirahalahy  tena mifankatia marina fa tsy  mifampihatsaravelatsihy  .Ioa  fifankatiavan’ny  mpirahalahy  io  mantsy  dia fifankatiavana ateraky  ny maha- mpiray tampo  . Koa amin’ny maha- mpiray tampo  dia tsy  mba mifampihatsaravelatsihy . Ny fihatsarahambelatsihy  izay mampalaza antsika Malagasy  dia tsy manatsara fa tena manimba sy mamotika ny  fifandraisana. Koa raha hihavana ihany , aoka ho marina sy madio  izany  , ho vokatry ny fo .Rehefa ao  amin’I Jesoa  ny olona dia ho mora aminy  ny mitia ny olona rehetra , toy izay   nitiavan’I Jesoa azy. Ny an’I Jesoa  mantsy  dia tena marina sy madio  ny fitiavany .

2- Mifanasoa (and17-21)

Tsy mifamaly ratsy  ny tena kristiana . Amin’ny maha-olombelona antsika mantsy  dia misy fotoana mety ho diso  amin’ny hafa isika.Ny hafa koa toy izany amintsika. Antsoin’ny Soratra Masina isika tsy  hifamaly ratsy .Koa rehefa tsy mifamaly ratsy  dia tsy maintsy mifanasoa. Rehefa manao soa isika dia tsy hanam-potoana  hiheverana ratsy  ho an’ny hafa . Araka  ny hita ao amin’ny and 21  dia io famaliana ny ratsy amin’ny alalan’ny soa io  no tena hanampy be dia be antsika  hiala amin’ny fanaovana valifaty  .Tsy zavatra mora ny mamaly soa ny ratsy natao tamin’ny tena , fa amin’ ny herin’I Jesoa vao tena hahavita izany ny mino  . Jesoa no nahavita namaly soa ny ratsy  natao taminy .

Fanontaniana:

Ahoana izany hoe:fihavanana marina ao amin’ny Tompo ?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM