Ny tena fiainana ao amin’Andriamanitra
Mofonaina anio: Alarobia, faha 24 Aogositra 2022
HEBREO 10.32-39
HEBREO 10.32-39
32 Fa tsarovy ny andro fahiny izay naharetanareo ny ady mafy tamin'ny fahoriana, rehefa nohazavaina ianareo; 33 indraindray raha natao ho fizaha noho ny fanaratsiana sy ny fampahoriana ianareo, ary indraindray koa raha tonga naman'izay azon'izany. 34 Fa sady niara-niaritra tamin'izay nifatotra ianareo no nifaly raha norobaina ny fanananareo, satria fantatrareo fa ianareo dia manana fananana tsara lavitra sady maharitra*. [* Na: fa ianareo dia manana ny tenanareo ho fananana tsara lavitra sady maharitra] 35 Koa aza manary ny fahasahianareo izay misy valiny lehibe. 36 Fa tokony hanana faharetana ianareo raha hahazoanareo izay lazain'ny teny fikasana, rehefa vitanareo ny sitrapon'Andriamanitra. 37 Fa "rehefa afaka kelikely, Dia ho tonga Ilay ho avy, fa tsy hitaredretra" 38 Ary "ny oloko marina* dia ho velon'ny finoana;" Fa raha mihemotra izy, dia tsy sitraky ny fanahiko (Hab. 2.3, 4). [* (ny marina)] 39 Fa isika tsy mba naman'izay mihemotra ho amin'ny fahaverezana, fa naman'izay mino ho amin'ny famonjena ny fanahy.Ny tena fiainana ao amin’Andriamanitra
Miavaka amin’ny Epistily rehetra ity mofonainantsika ity, satria kristiana efa miori-paka tsara ny nanoratra azy . Nandalo fizahan-toetra izy ireo ka nila fampaherezana .
1-Mifaly ao anatin’ny fahoriana
Betsaka ny zavatra izay niaretan’ny mpino tamin’ny vanim-poroana niharam-pijaliana sy ady mafy, nalam-baraka ,nampahoriana teo imasom-bahoaka ,notevatevaina ary nizaka izay nanjo .Tonga hatrany amin’ny figadrana sy fahaverezam-pananana ny fanoherana .Na dia izany ny nanjo azy ireo , dia nifaly izy satria fantany fa manana fananana tsara lavitra sy maharitra izy ireo .
Fantany tsara fa ao amin’Andriamanitra no misy ny tsy mety lo sy ny maharitra mandrakizay .Mampiavaka ny mino sy ny tsy mino io toetra iray io ,mifaly ao anaty fahoriana . Ny mino dia mametraka fitokiana amin’Andriamanitra ka manantena fa hahazo fandresena rehefa tonga ny fotoana voatendrin’Andriamanitra . Jesoa efa nilaza fa » ety amin’izao tontolo izao no hahitanareo fahoriana « , ka ny olona ao amin’i Jesoa dia vao mainka mifaly raha misy ny fanenjehana .
2-Velon’ny finoana
Ny olona ao amin’Andriamanitra dia olona velon’ny finoana . Ny faharetana noho ny fanenjehana izay nahazo dia hahatonga ny fanaovana ny sitrapon’Andriamanitra amin’ny fiainana mùanontolo , ka hatoky Azy na inona na inona miseho . Ny fijoroana amin’ny finoana dia mila faharetana sy fahasahianaa lehibe , hahazoanaa izay lazain’ny teny fikasana rehefa vita ny sitrapon’Andriamanitra (and36).Manantena ny fahatanterahan’ny teny fikasana ny olona velon’ny finoana . Na dia eo aza ny fanenjehana maro samihafa dia tsy naman’izay mihemotra » (and 39), fa hanantena kosa ny famonjena ny fanahy ataon’Andriamanitra .Jesoa Kristy dia niaritra fahoriana mba hamonjena antsika kristiana . Izany fahamarinana lehibe izany no banjinin’izay velon’ny finoana , ka na inona na inona mitranga dia tsy hahasakana azy amin’ny firaisana sy fifamatoram-piainana amin’Andriamanitra izany .
Fanontaniana :
Moa ve miaritra fahoriana noho ny fanarahan-dia an’i Jesoa Kristy ianao ?
Sampana Sekoly Alahady Foibe FJKM