Ny tantaran’ny androm-piainan’i Adama

Mofonaina anio: Alakamisy, faha 12 Janoary 2023

GENESISY 5.1-5

GENESISY 5.1-5
1 [Ny taranak'i Adama tamin'i Seta ka hatramin'i Noa] Ity no boky milaza ny taranak'i Adama: Tamin'ny andro namoronan'Andriamanitra ny olona dia tahaka ny tarehin'Andriamanitra no nanaovany azy; 2 lahy sy vavy no namoronany azy; dia nitahy azy Izy ka nanao ny anarany hoe Adama tamin'ny andro namoronany azy. 3 Ary rehefa telo-polo amby zato taona ny andro niainan'i Adama, dia niteraka tahaka ny tarehiny, araka ny endriny izy; ary ny anarany nataony hoe Seta. 4 Ary ny andron'i Adama taorian'ny niterahany an'i Seta dia valon-jato taona; ary niteraka zazalahy sy zazavavy izy. 5 Ary ny andro rehetra niainan'i Adama dia telo-polo amby sivin-jato taona; dia maty izy.

Ny tantaran’ny androm-piainan’i Adama

Fintinina amin’ireo andinin-tsoratra masina ireo ny tantaram-piainan’i Adama ,araka izao manaraka izao :

1- Momba ny naharian’Andriamanitra azy (and1-2)

Ampahatsiahivin’ny Soratra masina amintsika eto indray fa Andriamanitra no nahary ny olombelona araka ny endriny (and1), izany hoe : miavaka amin’izay rehetra noharian’Andriamanitra ny olombaelona satria noforonina hanam-pitoviana Aminy sy hanahaka Azy : lahy sy vavy no namoronana azy (and2). Ny anarana hoe : » Adama » dia azo adika hoe: « olona ». Ny fofonaina mahavelona avy amin’Andriamanitra no nampisy ny olombelona .

2-Momba ny taranany (and 3-4)

Nahazo ny tsodranon’Andriamanitra mba hana-taranaka ny olombelona.Voalaza fa rehefa feno telopolo amby zato taona i Adama dia niteraka zazalahy nantsoina hoe : Seta, ary tsy izy irery akory ny zanany fa niteraka zanaka lahy sy zanaka vavy maro izy . Hitantsika eto fa ny zava-kendrena amin’ity fitantarana ity dia tsy ny hahafantatra ny anaran’ireo zanany tsirairay fa ny haneho ny fitohizan’ny taranak’olombelona araka ny tsodranon’Andriamanitra tamin’ny nahariany azy.

3-Momba ny taona niainany (and5)

Manaitra ny saina ny mandinika fa nahatratra telopolo amby sivinjato taona i Adama . Na dia misy tsy fitoviany aza ny fomba fanisana andro taloha sy ny ankehitriny dia azo heverina fa lava kokoa ny androm-piainan’ny olona tany am-piandohana .Misy fiantraikany eo amin’ny tontolo iainana sy ny toe-pahasalaman’ny olona ny vokatry ny fahotana .Tsy mahagaga raha nihafohy ny andom-piainan’ny olona ankehitriny . Soa fa teo Jesoa ,Ilay tsy miova ,nanome ho antsika fiainana tsy manam-petra .

Fanontaniana :

Inona no ifandraisan’ny fahotana sy ny fahafatesana ?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM