Ny tanjon’ny fahafahan’Andriamanitra ny olony
Mofonaina anio: Talata, faha 06 Jona 2023
EKSODOSY 6.2-8
EKSODOSY 6.2-8
2 [Ny namerenan'Andriamanitra ny teniny tamin'i Mosesy] Ary Andriamanitra niteny tamin'i Mosesy ka nanao hoe: Izaho no Jehovah; 3 ary tamin'ny anarako hoe ANDRIAMANITRA TSITOHA no nisehoako tamin'i Abrahama sy Isaka ary Jakoba, fa ny anarako hoe JEHOVAH tsy mbola nahafantarany Ahy, 4 Ary naoriko taminy koa ny fanekeko hanomezako azy ny tany Kanana, dia ny tany fivahiniany izay efa nivahiniany. 5 Ary koa, Izaho efa nandre ny fitarainan'ny Zanak'Isiraely, izay ampanompoin'ny Egyptiana, ka dia tsaroako ny fanekeko. 6 Koa lazao amin'ny Zanak'Isiraely hoe: Izaho no Jehovah, ary hitondra anareo hivoaka ho afaka amin'ny fanompoana mafy ampanaovin'ny Egyptiana anareo Aho ka hanafaka anareo amin'ny fanompoana azy; ary sandry ahinjitra sy fitsarana lehibe no hamonjeko anareo. 7 Dia halaiko ho Ahy ianareo ho oloko, ary ho Andriamanitrareo Aho; dia ho fantatrareo fa Izaho no Jehovah Andriamanitrareo, Izay mitondra anareo mivoaka ho afaka amin'ny fanompoana mafy ampanaovin'ny Egyptiana anareo. 8 Ary Izaho hampiditra anareo any amin'ny tany izay nananganako tanàna homena an'i Abrahama sy Isaka ary Jakoba; dia homeko ho lovanareo izany: Izaho no Jehovah.Ny tanjon’ny fahafahan’Andriamanitra ny olony
1-Dia ny tsy hanekeny ho andevon’olona (and6)
« Izaho no Jehovah ary hitondra anareo hivoaka ho afaka amin’ny fanompoana mafy ampanaovin’ny Egyptiana anareo ka hanafaka amin’ny fanompoana azy » .Ny hevitra ara-panahy izay ambaran’ny fanandevozana ny Zanak’Israely dia ny fahotana , kanefa tsy hevitra ara-panahy ihany no tian’Andriamanitra haseho eto fa ny fanompoana olona koa. Rehefa andevon’olona ny olona iray dia voabaiko an-tery , ara-tsaina sy ara-batana .Azony hatao amin’izay itiavany azy , azo hampiharana herisetra mivantana sy ankolaka. Ny fitiavan’Andriamanitra hanafaka ny Zanak’Israely amin’ny fanompoana ny Egyptiana dia mampiseho fa tsy tiany raha ny olombelona samy olombelona no mifanandevo .Tsy sitrany koa aza ny faneken’ny olona ho andevon’olona mitovy aminy , satria Andriamanitra mpamorona Izy ary Izy irery ihany no Tompo tokony hotompoina .
2-Dia ny hahatonga ny olona ho eo ambany fahefany ho fiadanany (and 7)
« dia alaiko ho ahy ianareo ho oloko ary ho Andriamanitrareo Aho dia ho fantatrareo fa Izaho no Jehovah Andriamanitrareo «
Tanjon’Andriamanitra ny hahatonga ireo Zanak’Israely ireto eo ambany fahefany .Raha Izy mantsy no manam-pahefana amin’ny olony dia tsy mba hanjakazaka ka hampitondra fijaliana amin’ireo mihitsy Izy fa ny hanome fiadanana azy ireo .Ny tanjon’ny fanandevozana olona ataon’ny olona kosa dia fampijaliana .Mifanohitra amin’izany kosa ny tanjon’Andriamanitra . Hoy Jesoa : »Izaho avy mba hananany fiainana sady hananany be dia be » (Jao 10.10)
Fanontaniana:
Raha manana olana fehezina ianao , inona no tanjonao aminy : fanompoana ve sa fiainana mihatsara?
Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM