Ny tàna-maherin’Andriamanitra

Mofonaina anio: Alatsinainy, faha 20 Janoary 2020

EZEKIELA 34.20-26

EZEKIELA 34.20-26
20 Koa izao no lazain'i Jehovah Tompo aminy: Indro, Izaho, eny, Izaho no hitsara ny adin'ny ondry matavy amin'ny ondry mahia. 21 Satria ny tehezanareo sy ny sorokareo no entinareo manosika ny marary rehetra, ary ny tandrokareo no entinareo manoto azy mandra- pandronjinareo azy ho any ivelany; 22 dia hovonieko ny ondriko, ary tsy ho babo intsony izy, ary hotsaraiko ny adin'ny ondry amin'ny ondry namany. 23 Ary hanangana Mpiandry iray ho azy Aho, Izy no hiandry azy, dia Davida Mpanompoko, ka Izy no hitondra azy sy ho Mpiandry azy. 24 Ary Izaho Jehovah no ho Andriamaniny, ary Davida Mpanompoko no ho Mpanapaka ao aminy. Izaho Jehovah no niteny izany. 25 Ary hanao fanekem-pihavanana aminy Aho ka hampiala ny biby masiaka tsy ho eo amin'ny tany intsony, dia handry fahizay izy na dia any an-efitra aza, sady hatory na dia any anaty ala aza. 26 Ary izy sy ny manodidina ny havoanako dia hataoko fitaziana, ary hampilatsaka ranonorana amin'ny fotoany Aho, dia ranonoram-pitahiana mivatravatra.

Ny tàna-maherin’Andriamanitra

1-Manafay ny mpanararaotra (and20-23)

Miampanga ny mpiandry ny Israely ny Tompo Andriamanitra amin’ny alalan’i Ezekiela amin’ny perikopa ity. Tsy ankasitrahany ny fitiava-tena’izy ireo . Tsy tiany ny fanjakazakana sy fanararaotana ataon’ireo manana fahefana eo amin’ny vahoakany . Voaresaka eto ireo tomponandraikitra ara-pivavahana izay variana manangona ho azy aminn’y tsy fahamarinana ka manadino ny asa fanompoana tena nanirahana azy ireny : hitsara azy ireny ny Tompo , ny hevitry ny eny hoe: hitsara eto dia hoe : hamaly azy araka ny asany na tsy hampiala maina azy ireo noho ny tsy fahatanterahany araka ny tokony ho izy ny andraikitra makadiry napetraka taminy .

2-Manome fiadanana ny tsy manan-tsiny (and 24-25)

Esorin’Andriamanitra tsy ho mpiandry ny olony intsony ireo variana manatavy tena , araka ny efa hita teo aloha fa hanome « mpiandry » vaovao Izy, mpiandry tsy hanao ny fanao ratsy niainan’ireo teo aloha fa hitondra fiadanana ho an’ny ondry tokoa , hanome fiainana ho azy ireo.Ao anatin’izany dia mampanantena Andriamanitra fa handry fahalemana ny ondriny , satria eo Izy ho Andriamaniny ary mpanapaka na mpiandry araka ny sitrapony rahateo no apetrany hitondra ny ondry , dia hanaraka amin’izany ny fiadanana , ka hampandry fahizay na dia any an’efitra aza, hilatsaka amin’ny fotoany ny ranonoram-pitahiana. Koa ireo ondry izay voatosika sy voailika dia hisitraka fitahiana kosa. Sitrahan’ny mino ao amin’i Kristy , mpiandry tsara io fiadanana io.

Fanontaniana:

Mpiandry manao ahoana tokoa ianao izay manana andraikitra eo amin’ny fiangonana?

Sampana Sekoly Alahdy FOIBE FJKM