Ny olona tarihin’ny Fanahy Masina
Mofonaina anio: Zoma, faha 17 Mey 2024
Lioka 4. 14-19
Lioka 4. 14-19
14 Ary Jesosy niverina tamin'ny herin'ny Fanahy nankany Galilia; dia niely tamin'ny tany rehetra manodidina ny lazany. 15 Ary Izy nampianatra teny amin'ny synagogan'ny olona ka nankalazain'izy rehetra. 16 Dia tonga tao Nazareta, izay nahabe Azy Izy; ary araka ny fanaony dia niditra tao amin'ny synagoga tamin'ny andro Sabata Izy ka nitsangana hamaky teny. 17 Dia natolotra Azy ny bokin'Isaia mpaminany; ary nony namelatra ny boky Izy, dia nahita ny teny voasoratra hoe: 18 Ny Fanahin'i Jehovah no ato amiko, Satria nanosotra Ahy hitory teny soa mahafaly amin'ny malahelo Izy; Naniraka Ahy hitory fandefasana amin'ny mpifatotra Izy, Sy fampahiratana amin'ny jamba, Hanafaka izay nampahorina, 19 Hitory ny taona ankasitrahan'i Jehovah (Isa. 61. 1, 2).Ny olona tarihin’ny Fanahy Masina
Rehefa nandresy ny fakam-panahy nataon’ny devoly i Jesoa Kristy dia miatrika ny asa nanirahan’Andriamanitra. Hitantsika taratra eto fa ny olona tarihin’ny Fanahy Masina dia:
1-Manana anjara toerana miavaka
Rehefa tonga tao Galilia i Jesoa dia tonga olona malaza, fanta-bahoaka teo amin’ny fiaraha-monina nisy Azy noho ny herin’ny Fanahy Masina mitarika Azy. Hitantsika eto fa na dia ny mpanapaka ny synagoga aza dia nanendry Azy hanao anjara vakiteny tao amin’ny synagoga. Tsarovy fa rehefa manaiky ny fitarihin’ny Fanahy Masina eo amin’ny fiainantsika isika, ny herin’ny Fanahy Masina miasa dia mahatonga antsika hahavita asa miavaka, eny, tonga miavaka amin’ny olona rehetra isika ka manana anjara toerana eo amin’ny fiaraha-monina.
2- Milaza ny asa tanterahiny
Nahariharin’i Jesoa eto ny maha Mesia Azy. Nambarany tamin’ireo olona tao amin’ny Synagoga fa Andriamanitra dia <manosotra> Azy hanao asa fanompoana miavaka, asa fanompoan’llay Mesia hitondra fanafahana, fanavotana ho an’ny olona voafatotra sy manana fiainana tsy lavorary: ny malahelo, ny mpifatotra, ny jamba, ny nampahoriana (and.18). Mazava araka izany fa ny olona omban’ny herin’ny Fanahy Masina dia sahy milaza ny asany, ny antom-pisiany, ny asa fanompoana nanendren’ Andriamanitra azy. Mijoroa ho vavolombelona mandrakariva eo amin’ny fiaraha-monina misy anao ka lazao ny asa nanendren’Andriamanitra anao noho ny herin’ny Fanahy Masina.
Fanontaniana:
Efa nomena ny Fanahy Masina ianao. Lazao sy embargo ny asa fanompoana anirahan »Andriamanitra anao.
Sampana Sekoly Alahady Foibe