Ny olona tarihan’ny Fanahy Masina

Mofonaina anio: Alarobia, faha 20 Mey 2020

LIOKA 4.1-13

LIOKA 4.1-13
1 Ary Jesosy feno ny Fanahy Masina dia niverina avy tany Jordana, ary nentin'ny Fanahy tany an-efitra efa-polo andro Izy 2 ka nalain'ny devoly fanahy. Ary tsy nihinan-kanina akory Izy tamin'izany andro izany, ka rehefa tapitra izany, dia noana Izy. 3 Ary hoy ny devoly taminy: raha Zanak'Andriamanitra Hianao, teneno io vato io mba ho tonga mofo. 4 Fa Jesosy namaly azy ka nanao hoe: Voasoratra hoe: Tsy mofo ihany no hiveloman'ny olona (Deo. 8. 3). 5 Ary ny devoly nitondra Azy niakatra, dia naneho Azy indray mipi-maso ny fanjakana rehetra amin'izao tontolo izao. 6 Dia hoy ny devoly taminy: Homeko Anao izao fanapahana rehetra izao mbamin'ny voninahiny, fa efa natolotra ahy izany, ka izay tiako no homeko azy; 7 koa raha hiankohoka eto anatrehako Hianao, dia ho Anao avokoa izany rehetra izany. 8 Fa Jesosy namaly ka nanao taminy hoe: Voasoratra hoe: Jehovah Andriamanitrao no hiankohofanao, ary Izy irery ihany no hotompoinao (Deo. 6. 13; 10. 20). 9 Ary nitondra Azy nankany Jerosalema izy, dia nampitoetra Azy teo an-tampon'ny tempoly ka nanao taminy hoe: Raha Zanak'Andriamanitra Hianao, mivarina any ambany any; 10 fa voasoratra hoe: Izy handidy ny anjeliny ny aminao mba hiaro Anao; 11 Ary eny an-tànany no hitondran'ireo Anao, Fandrao ho tafintohina amin'ny vato ny tongotrao (Sal. 91. 11, 12). 12 Fa Jesosy namaly ka nanao taminy hoe: Voalaza hoe: Aza maka fanahy an'i Jehovah Andriamanitrao (Deo. 6. 16). 13 Ary rehefa nahatapitra izay fakam-panahy rehetra ny devoly, dia nandao Azy izy aloha.

Ny olona tarihan’ny Fanahy Masina

1-Manaiky ny fitondran’ny Fanahy Masina

« Feno ny Fanahy Masina  » i Jesoa . Niasa teo amin’ny fiainany sy nitondra ary nitarika Azy ho any anefitra izany . »Nentin’ny Fanahy Masina »:toy ny entana entin’ny mpitondra azy amin’izay tiany .Toy izany koa i Jesoa , nanaiky ho entin’ny Fanahy , tsy nanan-tsafidy fa izay nitondrana Azy dia nekeny .Nentina hatrany anefitra niatrika toe-javatra samihafa. Mazava araka izany fa ny olona feno ny Fanahy Masina dia manaiky izay làlana sy toerana itondran’ny Fanahy Masina dia olon’ny fankatoavana an’ Andriamanitra hatrany .

2-Miaina marina araka ny Tenin’Andriamanitra

Rehefa tonga tany anefitra i Jesoa , araka izay nitondran’ny Fanahy azy , dia indro i satana nikendry ny hamingana Azy ka nikendry ny handrava ny fifandraisan’i Jesoa tamin’Andriamanitra Rainy. Nampiasa Tenin’Andriamanitra hatrany i satana tamin’izany toe-javatra izany.Nampiasainy tamin’izay heverina ho tombotsoa hita maso ny Tenin’Andriamanitra .Manoloana izany kosa anefa dia ny Tenin’Andriamanitra izay tena niainany teo amin’ny fitarihan’ny Fanahy Masina no namalian’i Jesoa an’i satana ka tsy nahomby ny fandrika nataony . Ny olona manana ny Fanahy Masina no afaka miaina marina amin’ny Tenin’ Andriamanitra sy mampiasa izany Tenin’ Andriamanitra izany mba handresena ny asan’ilay ratsy .