Ny olona tarihan’ Andriamanitra
Mofonaina anio: Asabotsy, faha 03 Oktobra 2020
EKSODOSY 17.1-7
EKSODOSY 17.1-7
1 [Ny nimonomononan'ny Zanak'Isiraely noho ny tsi-fisian-drano, sy ny nanomezan'Andriamanitra azy rano avy tamin'ny vatolampy] Ary nifindra ny fiangonana, dia ny Zanak'Isiraely rehetra, ka niala tao an-efitra Sina, araka izay natoron'i Jehovah hitobiany, dia nitoby tao Refidima; ary tsy nisy rano hosotroin'ny olona. 2 Dia nila ady tamin'i Mosesy ny olona ka nanao hoe: Omeo rano izahay mba hosotroinay. Fa hoy Mosesy taminy: Nahoana no mila ady amiko ianareo? Nahoana no maka fanahy an'i Jehovah ianareo? 3 Ary nangetaheta teo ny olona, dia nimonomonona tamin'i Mosesy izy ka nanao hoe: Nahoana ianao no nitondra anay niakatra niala tany Egypta hahafatin-ketaheta anay sy ny zanakay ary ny bibinay? 4 Ary Mosesy nitaraina tamin'i Jehovah ka nanao hoe: Ahoana no hataoko amin'ireto olona ireto? fa mila hitora-bato ahy izy. 5 Ary hoy Jehovah tamin'i Mosesy: Mandrosoa eo alohan'ny olona, ary itondray hiaraka aminao ny loholon'ny Isiraely; ary ny tehinao, ilay nikapohanao an'i Neily, dia ento eny an-tananao, ka mandehana. 6 Ary, indro, hijanona eo anatrehanao eo ambonin'ny harambato any Horeba Aho, dia hikapoka ny harambato ianao, ka hisy rano hivoaka avy aminy hosotroin'ny olona. Dia nanao izany Mosesy teo imason'ny loholon'ny Isiraely. 7 Ary ny anaran'izany tany izany dia nataony hoe Masa sy Meriba, noho ny ady nataon'ny Zanak'Isiraely, sy noho ny nakany fanahy an'i Jehovah hoe: Eto aminay va Jehovah, sa tsia?Ny olona tarihan’ Andriamanitra
1- Matoky ny fitondrany
‘Dia nila ady tamin’i Mosesy ny olona ka nanao hoe : omeo rano izahay mba hosotroinay’ (and 10) .
Rehefa tonga tao Refidima , efitr’i Sinay ny Zanak’Israely araka ny fitarihan’ Andriamanitra dia nangetaheta ka nanome tsiny an’i Mosesy mpanompon’i Jehovah izy ireo . Adinon’ny Zanak’Israely ny herin’ Andriamanitra nitarika azy hatrany Egypta niampita ny ranomasina mena ary tonga tao Refidima ka nahatonga azy ireo nanome tsiny an’i Mosesy . Rehefa manadino ny asan’ Andriamanitra teo amin’ny fiainany ny olona ,dia tsy matoky an’ Andriamanitra intsony ka manome tsiny sy mila ady amin’ny irak’Andriamanitra.
2-Mahandry ny fotoanan’ny Tompo
« Fa hoy i Mosesy taminy : nahoana no maka fanahy an’i Jehovah ianareo ? »
Atao hoe : maka fanahy an’i Jehovah ny olona rehefa mitaky amin’ny tsy faharetana sy amin’ny fikomiana ny fahasoavana avy amin’ Andriamanitra . Izany no nataon’ny Zanak’ Israely teto rehefa nangataka rano tamin’i Jehovah izy ireo dia tiany hisy rano avy hatrany teo . Raha tokony hiandry izany amin’ny finoana sy faharetana ny Zanak’Israely dia fimonomononana sy fandrahonana an’i Mosesy no nataony. Noho izany , ny olona izay tarihan’ Andriamanitra dia mila miandry ny fotoanan’ Andriamanitra amin’ny finoana sy faharetana fa tsy maimaika , tsy mikomy amin’Andriamanitra . Nanome modely tokony alain-tahaka tamin’izany i Jesoa izay naharitra hatramin’ny hazo fijaliana handraisany fahasoavany indray.
Fanontaniana :
Inona no ataonao eo am-piandrasana ny valin’ny fangatahana amin’Andriamanitra?
Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM