Ny olona nomen’Andriamanitra ny Fanahiny
Mofonaina anio: Alatsinainy, faha 17 Mey 2021
ISAIA 42.1-4
ISAIA 42.1-4
1 [Ny amin'ny Mpanompon'i Jehovah, mpitondra famonjena ho an'ny Isiraely sy ny firenena rehetra] Indro ny Mpanompoko, Izay tantanako, dia Ilay voafidiko sady sitraky ny foko Napetrako tao aminy ny Fanahiko; Hamoaka fitsipika ho an'ny jentilisa Izy. 2 Tsy hiantsoantso Izy, na hanandratra ny feony, na hanao izay handrenesana ny feony eny an-dalana. 3 Tsy hotapahiny ny volotara torotoro, ary tsy hovonoiny ny lahin-jiro manetona; Hamoaka izay tena rariny tokoa Izy. 4 Tsy ho reraka na ho kivy Izy, Mandra-panoriny ny rariny amin'ny tany, ary ny nosy hiandry ny lalàny.Ny olona nomen’Andriamanitra ny Fanahiny
1-Mifamato-piainana amin’Andriamanitra
Miavaka ity mpanompo nofidin’Andriamanitra sy irahiny hitondra fanafahana ho an’ny olona ity . Olona tena akaiky , mifamatotra fiainana amin’Andriamanitra , tena olon’Andriamanitra : mpanompoKO, voafidiKO, sitraky ny foKO, napetraKO, FanahiKO . Izany fomba entin’Andriamanitra manolotra sy maneho izany mpanompo irahiny izany dia fanomezan-toky ny vahoakany fa noho ny fitiavany dia izay tena akaiky Azy no nirahiny sy nomeny ho famonjena ny olona .Tanteraka tao amin’i Jesoa Kristy tokoa izany , satria i Jesoa Kristy zanaka lahitokana , Ilay tena tiany no nomeny ho famonjena izao tontolo izao .
2-Mpitondra marina
Noho ny asan’ny Fanahin’Andriamanitra mitarika ilay mpanompo voafidin’Andriamanitra dia miavaka ny fomba fiasany , ny fitondrany ny vahoaka , ny fitsarana hotanterahiny . Raha dinihana ny and 2,3 dia maneho ny teny ataony izay mandresy lahatra fa marina ny famonjena entiny . Tsy handresy lahatra ny hafa amin’ny fahaizana miteny izy . Milaza ny marina ary mitsinjo ireo izay sokajin’olona natao tsinontsinona hitondra aina vaovao ho azy ireny : tsy hovonoiny ny lahin-jiro manetona . Ny asa lehibe hotanterahiny dia ny fanafahana tanteraka ho an’ny olona voafatotra ka mila fanafahana . Jesoa Kristy no mpitondra marina mihevitra tokoa ny mahasoa ny mpanara-dia Azy . Nafoiny ny ainy ho famonjena .
Fanontaniana :
Inona no toetra tokony hampiavaka ny olom-boafidin’Andriamanitra ?
Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM