Ny olona nofidin’Andriamanitra
Mofonaina anio: Alakamisy, faha 27 Jolay 2023
DEOTERONOMIA 10.12-19
DEOTERONOMIA 10.12-19
12 [Anatra ny amin'ny fahatahorana an'Andriamanitra sy ny fitiavana Azy, ary filazana ny soa ho azon'ny manaraka ny lalàna sy ny loza hanjo ny tsy manaraka azy] Ary ankehitriny, ry Isiraely ô, inona moa no ilain'i Jehovah Andriamanitrao aminao, afa-tsy ny hatahotra an'i Jehovah Andriamanitrao sy ny handeha amin'ny lalany rehetra ary ny ho tia Azy sy hanompo an'i Jehovah Andriamanitrao amin'ny fonao rehetra sy ny fanahinao rehetra, 13 hitandrina ny didin'i Jehovah sy ny lalàny izay andidiany anao anio, mba hahita soa ianao? 14 Indro, an'i Jehovah Andriamanitrao ny lanitra sy ny lanitry ny lanitra ary ny tany mbamin'izay rehetra eo aminy. 15 Kanefa ny razanao no niraiketan'ny fitiavan'i Jehovah, ka nifidy anareo zanany mandimby azy Izy mihoatra noho ny firenena rehetra, tahaka ny amin'izao anio izao. 16 Koa forao ny fonareo, fa aza mafy hatoka intsony ianareo. 17 Fa Jehovah Andriamanitrareo no Andriamanitra Avo Indrindra sy Tompon'ny tompo, Andriamanitra lehibe sy mahery ary mahatahotra, Izay tsy mizaha tavan'olona, na mandray kolikoly; 18 manome rariny ny kamboty sy ny mpitondratena Izy, sady tia ny vahiny ka manome azy hanina sy fitafiana. 19 Koa tiava vahiny; fa efa mba vahiny tany amin'ny tany Egypta ianareo.Ny olona nofidin’Andriamanitra
« koa forao ny fonareo, fa aza mafy hatoka intsony ianareo » (and16) .Efa zatra ary nanaja ny fitsipika momba ny famorana ny zanak’Israely saingy endrika ivelany fotsiny ihany fa tsy lalim-paka tao am-po ny toetra naterak’izany .Eto dia takiana amin’ny zanak’Israely mba hamorany ny fony , izany hoe : hiaina amin’ny fahatsoram-po sy fahamarinana araka ny didin’Andriamanitra .Ny olom boafidin’Andriamanitra araka izany dia manana ny toetra sy fomba mifanaraka amin’ny sitrapon’Andriamanitra .Tsy olona maditra na mpanohitra ny sitrapon’Andriamanitra akory ny olona nofidiny fa olona mpanatanteraka ny sitrapony. Ao amin’i Jesoa Kristy irery ihany no hahafahana miaina ny sitrapon’Andriamanitra .
2-Tia ny olona rehetra
« Koa tiava vahiny , fa efa mba vahiny tany amin’ny tany Egypta ianareo« (and19) .Toetran’Andriamanitra ny tia ny olona rehetra ,tsy mizaha tavan’olona.Tian’Andriamanitra ho tahaka izany ihany koa ny zanak’Israely dia ny fitiavana ny mahantra sy ny vahiny. Andriamanitra rahateo mihaino ny feon’ny olona mahantra sy ampahoriana ka mamaly heloka. Noho izany , tsy maintsy tia ny karazan’olona rehetra ny olom-boafidin’Andriamanitra satria izany no toetran’Andriamanitra . Mila mitovy toetra amin’Andriamanitra ny olom-boafidiny .Tsy ho hain’ny olona amin’ny fiezahan’ny tenany manokana anefa izany fa mila ny asan’ny Fanahin’i Kristy .Jesoa Kristy irery no manana izany toetra tsy mizaha tavan’olona izany ka izay rehetra te-hanana izany toetra izany dia tsy maintsy mino Azy .Koa minoa an’i Kristy dia hahay hitia ny olona rehetra ianao .
Fanontaniana :
Inona no sakana ka tsy itiavanao ny sokajin’olona rehetra?
Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM