Ny olona nantsoin’ny Tompo hanao ny asany

Mofonaina anio: Talata, faha 28 Desambra 2021

ROMANA 1.1-7

ROMANA 1.1-7
1 [Fitarihan-teny] Paoly, mpanompon'i Jesosy Kristy, voantso ho Apostoly, voatokana ho amin'ny filazantsaran'Andriamanitra, 2 izay nampilazainy ny mpaminany rahateo teo amin'ny Soratra Masina*, [* teo amin'izay soratra masina] 3 ny amin'ny Zanany, Izay nateraka avy tamin'ny taranak'i Davida araka ny nofo, 4 ary naseho* tamin-kery ho Zanak'Andriamanitra** araka ny fahamasinana tamin'ny fitsanganany tamin'ny maty, - dia Jesosy Kristy Tompontsika, [* Na: notendrena] [** Na: naseho ho Zanak'Andriamanitra mahery] 5 Izay nandraisanay fahasoavana sy ny mah'Apostoly anay hahatonga fanekena ny finoana ho voninahitry ny anarany any amin'ny jentilisa rehetra; 6 ary ianareo koa, izay isan'ireny, dia voantso ho an'i Jesosy Kristy, - 7 ho an'izay rehetra any Roma, malalan'Andriamanitra sady voantso ho masina; ho aminareo anie ny fahasoavana sy ny fiadanana avy amin'Andriamanitra Raintsika sy Jesosy Kristy Tompo.

Ny olona nantsoin’ny Tompo hanao ny asany

Tokony ho haintsika ny mamantatra ny olona tena voantso :

1-Mpanompo (and1)

Ny dikan’ny teny hoe: « mpanompo » dia « andevo » . Ny andevo dia fananan’olona , tsy manan-tsafidy , fa izay sitrapon’ny tompony no tsy maintsy tanterahiny . Nanaiky an-tsitrapo ho andevon’i Jesoa Kristy ny Apostoly Paoly .Ary tsy avy Aminy , na tamin’ny zalalan’ny olona no nahatonga azy ho Apostoly fa avy tamin’ny alalan’i Jesoa Kristy sy Andriamanitra Ray . Ny tena mpanompon’Andriamanitra dia manetry tena , ary ny sitrapon’Ilay niantso azy no zava-dehibe aminy .Izany no anekeny an-tsitrapo ho andevo .Tokony hifantoka tsara amn’izany toe-panahy feno fanetrentena izany izay rehetra manao ny asan’Andriamanitra . Ka ny maha-mpanompo , « andevo » dia aseho amin’ny asa eo anatrehan’Andriamanitra sy eo anatrehan’ny namana . « Fa izay rehetra manandra-tena no haetry , ary izay manetry tena no hasandratra » (Lio 14.11)

2-Voatokana ho amin’ny Filazantsaran’Andriamanitra

Mety hanana ahiahy ny Fiangonana noho ny fisian’ny mpaminany sy ny Apostoly sandoka izay manakorontana sy mampisara-bazana ny samy kristiana . Noho izany , dia tokony ho fantatra mazava tsara dieny aty am-piandohana ny mombamomba ireny olona mamita iraka na nandefa taratasy samihafa ireny . Nanome toky ny Apostoly Paoly fa ny Filazantsaran’Andriamanitra no toriany , izay miorina ambonin’ny fanambaran’Andriamanitra ny tenany ao amin’ny Soratra Masina . Jesoa Kristy no ivon’ny Filazantsara , Zanak’Andriamanitra tonga olombelona sady manana ny toetra maha-Andriamanitra Azy .Voatokana ho amin’izany ny mpanompon’Andriamanitra .

Fanontaniana :

Fomba ahoana no hamantarana ny fivavahan-diso ?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM