Ny olona nantsoin’ Andriamanitra
Mofonaina anio: Alatsinainy, faha 31 Jolay 2023
I Tesaloniana 5. 23 - 28
1 Tesaloniana 5,23 - 28
23 Ary Andriamanitry ny fiadanana anie hahamasina anareo samy ho tanteraka, ka aoka harovana avokoa ny fanahinareo sy ny ainareo ary ny tenanareo ho tanteraka ka tsy hanan-tsiny amin'ny fihavian'i Jesosy Kristy Tompontsika. 24 Mahatoky Izay miantso anareo, sady Izy ihany no hanefa izany. 25 Ry rahalahy, mivavaha ho anay. 26 Manaova veloma ny rahalahy rehetra amin'ny fanorohana masina. 27 Mampianiana anareo amin'ny Tompo aho mba hovakina amin'ny rahalahy* rehetra ity epistily ity. [* Na: (rahalahy masina)] 28 Ho aminareo anie ny fahasoavan'i Jesosy Kristy Tompontsika.Ny olona nantsoin’ Andriamanitra
1- Hamasininy
«Ary Andriamanitry ny fiadanana anie hahamasina anareo samy ho tanteraka” (and. 23)
Firariantsoa na vavaka nataon’i Paoly Apostoly ho an’ny kristiana tany Tesalonika mba hanamasinan’Andriamanitra azy reo. Ny fanamasinana, tahaka ny fanamarimana, dia asan’ Andriamanitra amin’ny alalan’ny fahasoavany ao amin’ Kristy. Kanefa, tokony hivoatra tsikelikely izany ka hita taratra amin’ny fomba fiainan’ny olona, ka i Jesoa Kristy no ohatra amin’ izany. Ny toetran ny olona eo amin’ ny fiainana andavanandro no ahafantarana azy na masina na tsia. Ataon’Andriamanitra miavaka amin’ny mpanao ratsy ny toetran’ny olona efa nohamasininy. Amin’ny finoana an’i Jesoa Kristy ihany no itomboana izany. Koa mifikira amin’i Jesoa Kristy dia hitombo amin’ny fahamasinana tsika.
2- Arovany
«ka aoka harovana (…) tsy hanan-tsiny amin’ny fihavian’i Jesosy Kristy Tompontsika.» (and. 23)
Ny matoanteny hoe «harovana» eto dia azo adika ihany koa hoe «hitahiry » Izany hoe Andriamanitra no mitahiry ny olona nohamasininy ho voatahiry tsy manan-tsiny, tsy misy pentina, tsy misy kilema mandra-pihavin’i Jesoa Kristy indray. Tsy efan’ny ezaka ataon’ny olona fotsiny ihany ny haharitra amm‘ny finoana sy ny fanompoana an’Andriamanitra. Asan’ Andriamanitra madiodio ny mampaharitra ny olona amin’ny fanompoana Azy. Noho izany, adidin’ny mpino ny mangataka amin’Andriamanitra, hitahiry, haharetana hatramin’ ny farany amin‘ny finoana sy ny fanompoana an’i Jesoa Kristy.
Fanontaniana
Ahoana ny fomba iainanao ny fanamasinana avy amin’Andriamanitra?
SAMPANA SEKOLY ALAHADY FOIBE FJKM
93