Ny olona nandray ny Fanahy Masina
Mofonaina anio: Talata, faha 05 Mey 2020
1 KORINTIANA 2.11-16
1 KORINTIANA 2.11-16
11 Fa iza no olona mahalala ny ao am-pon'olona, afa-tsy ny fanahin'ny olona izay ao anatiny ihany? Ary toy izany koa, tsy misy mahalala ny ao am-pon'Andriamanitra afa-tsy ny Fanahin'Andriamanitra ihany. 12 Fa isika tsy nandray ny fanahin'izao tontolo izao, fa ny Fanahy Izay avy amin'Andriamanitra, mba ho fantatsika izay zavatra nomen'Andriamanitra antsika. 13 Izany koa no lazainay, tsy amin'ny teny ampianarin'ny fahendren'olona fa amin'ny teny ampianarin'ny Fanahy, raha milaza zava-panahy amin'izay olona* araka ny Fanahy** izahay. [ * Na: teny] [** Na: raha mampikambana zava-panahy; na mampitaha zava-panahy] 14 Fa ny olona izay araka ny nofo ihany dia tsy mba mandray izay an'ny Fanahin'Andriamanitra; fa fahadalana aminy izany sady tsy azony, satria araka ny Fanahy no amantarana izany. 15 Fa ny olona araka ny Fanahy kosa dia mahafantatra ny zavatra rehetra, kanefa izy tsy fantarin'olona. 16 Fa iza no nahafantatra ny sain'ny Tompo mba hampianatra Azy*? (Isa. 40. 13). Fa izahay manana ny sain'i Kristy. [* Na: azy]Ny olona nandray ny Fanahy Masina
1-Mahalala ny sitrapon’ Andriamanitra
Izay nandray ny Fanahy Masina no afaka hahalala ny tombotsoa azo avy amin’izany.Manampy antsika hahatakatra ny fanomezana sarobidy izay natolotr’ Andriamanitra ny asan’nyFanahy Masina . »…mba ho fantatsika izay nomen’Andriamanitra antsika« (and12). Ny olona izay araka ny nofo ihany dia tsy mahay mandray izay an’ny Fanahin’ Andriamanitra , fahadalana aminy izany , satria araka ny Fanahy no hamantarana azy (and14). Koa aza gaga isika raha misy olona manao tsinotsinona na manamavo antsika fiangonana, rehefa manambara ny amin’ny hazo fijalian’i Jesoa Kristy isika. Amin’ny maha- Zanak’ Andriamanitra antsika kosa dia ilaina ny fitarihan’ny Fanahy Masina mba hahaizantsika manao ny sitrapony. »Fa izay tarihan’ny Fanahin’ Andriamanitrra no zanak’ Andriamanitra » .
2-Afaka hanazava ny Tenin’ Andriamanitra
« Izany koa no lazainay , tsy amin’ny teny ampianarin’ny fahendren’olona fa amin’ny teny ampianarin’ny Fanahy… » (and13).Olona nandia fianarana sy nanana ny fahaizana amam-pahalalana ny Apostoly Paoly ,kanefa tsy izany no nataony ho rehareha raha nitory ny Filazantsara izy. Fantany fa voafetra ny fahendrena sy ny fahalalan’ny olombelona .Raha tsy eo ny fitarihan’ny Fanahy Masina dia tsy hahavokatra ho amin’ny fitoriana ny Filazantsara izany . Dia toy izany koa, izay manana ny Fanahin’Andriamanitra no hahatakarany ny zava-miafina raketin’ny Teniny sy ny hafatra ampitondrainy ny mpanompony .Anktoavy ny fitarihan’ny Fanahy Masina .
Fanontaniana:
Inona no mampiavaka ny olona araka ny nofo sy ny olona araka ny Fanahy?
Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM