Ny olona miverina amin’Andriamanitra

Mofonaina anio: Alakamisy, faha 16 Oktobra 2025

Sal. 116. 12-19 / Hira 3 / Vavaka / Mofonaina / Vavaka / Hira 446

 

« Handroba an’Andriamanitra va ny olona, no mandroba Ahy ianareo? Nefa hoy ianareo: Amin’inona moa…« (And. 8). Araka ny lalana, ny ampahafolon-karena dia aterina ao amin’ny Tempoly ho fanampiana ny mpisorona. Tsy nanatitra izany anefa ny maro. Vokatr’izany dia maro tamin’ny mpisorona no tsy nahavita ny asany fa lasa namboly mba hivelomany. Mandroba an’ Andriamanitra izany ka mila miaiky ny helony ny Jiosy. Araka izany, rehefa tsy manatanteraka ny adidy ao amin’ny Fiangonana ny mpino kristiana, dia toy ny mandroba an’Andriamanitra ihany. Tokony hiaiky ny helony izany olona izany fa tsy hanamarin-tena. Aza manamarin-tena fa mahatezitra an’Andriamanitra izany.

«Entonareo ny fahafolon-karena rehetra ho ao amin’ny trano firaketako, mba hasian-kanina ao an-tranoko…» (And. 10) Nisy trano firaketana ny fahafolon-karena teo anilan’ny Tempoly. Mandrapahafenon’io trano firaketana eo dia tokony samy hanatitra izany ny Jiosy. Ary ny fanaterana izany ho an’Andriamanitra dia mitondra fitahiana manana amby ampy ho azy ireo. Araka izany, ny fandoavana adidy sy fanaterana vokatra ary fanomezana ho an’ny Fiangonana miteraka fitahina ho an’ny olona izay manao izany. Arakaraky ny anomezana ho an’Andriamanitra no itomboan’ny fitahiana ho an’ny olona. Koa manompoa Azy amin’izay anananao amin’ny finoana an’i Jesoa Kristy dia no voatahy ianao.

Inona avy ireo sakana tsy anomezanao ho an’ny Tompo?


Mofon'aina teo aloha

Ny mpamory vokatra ho an’ny To...

Alarobia, 15 Oktobra 2025

Lioka 3.15-18 Ny mpamory vokatra ho an’ny Tompo dia : 1-Manao batisa amin’ny rano Andraikitra…

Ny fahafenoan’ny Fanahy Masina

Alatsinainy, 13 Oktobra 2025

  1 Kor 14.23-25 Ny fahafenoan’ny Fanahy Masina 1-Miteny amin’ny fiteny tsy fantatra « Koa raha…

Ny mpaminany Elia

Alahady, 12 Oktobra 2025

  1 Mpanjaka 18.21-39 Ny mpaminany Elia dia: 1-Mamerina olona ho amin’Andriamanitra velona Nilaza tamin’i…