Ny olona mitana tsara ny didin’Andriamanitra
Mofonaina anio: Talata, faha 04 Oktobra 2022
MARKA 7.1-13
MARKA 7.1-13
1 Ary niangona teo aminy ny Fariseo sy ny mpanora-dalàna sasany, izay avy tany Jerosalema 2 ka nahita ny mpianatra sasany fa nihinan-kanina tamin'ny tanana tsy madio, izany hoe, tsy voasasa. 3 (Fa ny Fariseo sy ny Jiosy rehetra tsy mba mihinana, raha tsy efa manasa tsara* ny tànany, satria mitàna ny fampianarana voatolotry ny razana izy.[*Gr. sasàny amin'ny totohondry] 4 Ary raha avy any an-tsena, dia tsy mihinana izy, raha tsy misasa aloha. Ary misy fomba maro koa izay noraisiny hotanana, dia ny manasa kapoaka sy famarana* mbamin'izay fanaka varahina**.) [* Gr. sekstaria] [** ampio hoe: ary farafara] 5 Dia nanontany Azy ny Fariseo sy ny mpanora-dalàna hoe: Nahoana ny mpianatrao no tsy manaraka ny fampianarana voatolotry ny razana, fa mihinan-kanina amin'ny tanana tsy misasa izy? 6 Fa Jesosy nanao taminy hoe: Marina ny naminanian'Isaia anareo mpihatsaravelatsihy, araka ny voasoratra hoe: Ity firenena ity manaja Ahy amin'ny molony, Fa ny fony kosa lavitra Ahy. 7 Koa foana ny ivavahan'ireo amiko, Raha mampianatra ny didin'olombelona ho fampianarana izy. (Isa. 29. 13). 8 Mahafoy ny didin'Andriamanitra ianareo ka mitana ny fanaon'ny olona. 9 Ary hoy koa Izy taminy: Hay! tsara ny nahafoizanareo ny didin'Andriamanitra mba hitandremanareo ny fampianarana voatolotra anareo! 10 Fa hoy Mosesy: Manajà ny rainao sy ny reninao (Eks. 20. 12), ary koa: Izay miteny ratsy ny rainy sy ny reniny dia hatao maty tokoa (Eks. 21. 17). 11 Fa hoy kosa ianareo: Raha misy olona milaza amin'ny rainy na amin'ny reniny hoe: Efa korbana (izany hoe, fanatitra ho an'Andriamanitra) izay rehetra tokony hahazoanao soa avy amiko, 12 dia* tsy avelanareo hanao na inona na inona ho an'ny rainy sy ny reniny intsony izy,[*Na: dia voafehin'ny voadiny izy. Ary dia etc] 13 ka dia foananareo ny tenin'Andriamanitra amin'ny fampianarana voatolotra anareo, izay nasainareo hotandremana; ary zavatra maro mifanahatahaka amin'izany koa no ataonareo.Ny olona mitana tsara ny didin’Andriamanitra
1-Miala amin’ny fihatsarambelatsihy
« Mahafoy ny didin’Andriamanitra ianareo ka mitana ny fanaon’ny olona » (and8) . Fatra-panaja ny fombam-pivavahana sy ny fanao amin’ny endrika ivelany mba hideran’ny olona azy ny Fariseo. Anisan’izany ny fanasana tànana .Tsy nitandrina izany anefa ny mpianatr’i Jesoa Kristy ka nahatonga ny Fariseo hanontany ny antony .Mariky ny fialana amin’ny didin’Andriamanitra izany amin’i Jesoa .Rehefa variana mitana ireo fombafombam-pivavahana amin’ny endrika ivelany fotsiny ihany ny olona , kanefa tsy misy finoana an’i Jesoa Kristy dia mpihatsaravelatsihy .Fihatsarambelatsihy ny fanaovana sy ny fandraisana ny fombam-pivavahana , kanefa tsy miaina ny sitrapon’Andriamanitra .Aoka ho marina amin’ny finoana.
2-Mandray ny fampianaran’Andriamanitra
« ka dia foananareo ny Tenin’Andriamanitra amin’ny fampianarana voatolotra anareo... » (and13). Fatra-pitana ny fampianarana voatolotry ny razana mihoatra noho ny fampianaran’ny Soratra Masina ny Fariseo sy ny mpanora-dalàna .Izany fomba fanao izany dia nitarika hatrany amin’ny fandikana ny didin’Andriamanitra mihitsy .Fampianarana mifanohitra amin’ny didin’Andriamanitra no nataon’izy ireo .Rehefa variana amin’ny fampianarana voatolotry ny razana ny olona , dia hahafoy ny fampianaran’i Kristy .Tsy eken’i Jesoa Kristy mihoatra noho ny didin’Andriamanitra ny fampianarana voatolotry ny razana .Noho zany , izay rehetra mpianatr’i Kristy dia mandray ny Tenin’Andriamanitra ho mihoatra noho ny fampianarana voatolotry ny razana .
Fanontaniana:
Inona no mahatonga ny olona mazoto mandray ny fombam-pivavahana ka tsy mitandrina ny Soratra Masina ?
Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM