Ny olona mitady famonjena amin’i Jesoa Kristy

Mofonaina anio: Alatsinainy, faha 05 Oktobra 2020

MARKA 5.25-29

MARKA 5.25-29
25 Ary nisy vehivavy anankiray izay efa narary* roa ambin'ny folo taona [*Gr. narary nandeha rà] 26 sady efa niaritra zavatra be tamin'ny mpanao fanafody maro ka nandany ny fananany rehetra, nefa tsy nety sitrana, fa vao mainka nihanarary kokoa aza; 27 koa rehefa nahare ny amin'i Jesosy izy, dia nankeo ivohony namaky ny vahoaka ary nanendry ny lambany. 28 Fa hoy izy: Na dia ny fitafiany ihany aza no voatendriko, dia ho sitrana* aho.[*Gr. voavonjy] 29 Ary niaraka tamin'izay dia ritra ny loharanon'aretiny*, ka tsaroany tao amin'ny tenany fa sitrana izy.[*Gr. fandehanan'ny ràny]

Ny olona mitady famonjena amin’i Jesoa Kristy

1- Manatona Azy

« Koa rehefa nahare ny amin’i Jesoa izy dia nankeo ivohony …  » (and27a)

Ity vehivavy ity dia narary nandeha rà nandritry ny 12 taona efa nentina tany amin’ny mpitsabo kanefa tsy nety sitrana fa vao mainka aza nihombo ny aretina . Nony nandre ny amin’i Jesoa izy dia nanatona Azy ary rehefa nanatona an’i Jesoa izy dia nahazo fahasitranana . Araka izany , ny olona mila famonjena ka mandre ny amin’i Jesoa Kristy dia mila manatona Azy . Ny faneken’ny olona hanatona an’i Jesoa Kristy no hany làlana tokana sy azo antoka hahazoana famonjena sy fanasitranana . Ento eo amin’i Jesoa Kristy ny entanao sy ny olanao, mba hamonjeny anao satria Izy no Ilay efa nitondra ny entantsika.

2-Mandresy ny sakantsakana

« … namaky ny vahoaka ary nanendry ny lambany… » (and27b)

Finoana tao amin’ity vehivavy ity ny hoe : na dia ny akanjon’i Jesoa ihany aza no voatendriny dia ampy hahasitrana Azy . Sakana tsy ahafahany mikasika ny fitafian’iJesoa anefa ny fisian’ny olona maro nifanisika . Izany no nahatonga Azy namaky ny vahoaka . Vokany : tratra ny tanjona ; sitrana izy . Marihina eto anefa fa tsy ny lamban’i Jesoa akory no nahasitrana fa ny finoan’ilay vehivavy nomban’ny herin’i Jesoa (and 30,34) . Koa izay rehetra mila vonjy sy fanasitranana amin’i Jesoa dia tsy maintsy mandresy ireo sakana samihafa manelingelina azy tsy hahafahany mandry ny famonjena avy amin’ny herin’i Jesoa Kristy. Mandehana àry ka mba manaova toy izany koa .

Fanontaniana :

Inona avy ireo sakana tsy ahafahanao manatona an’i Jesoa?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM