Ny olona mino an’i Jesoa Kristy
Mofonaina anio: Alakamisy, faha 31 Desambra 2020
1 JAONA 5.1-9
1 JAONA 5.1-9
1 Izay rehetra mino fa Jesosy no Kristy dia naterak'Andriamanitra; ary izay rehetra tia Izay niteraka dia tia izay naterany koa. 2 Izao no ahafantarantsika fa tia ireo zanak'Andriamanitra isika, dia ny itiavantsika an'Andriamanitra sy ny ankatoavantsika ny didiny. 3 Fa izao no fitiavana an'Andriamanitra, dia ny hitandremantsika ny didiny, sady tsy mavesatra ny didiny. 4 Fa izay rehetra naterak'Andriamanitra dia maharesy izao tontolo izao; ary ny fandresena izay enti-maharesy izao tontolo izao dia ny finoantsika. 5 Iza moa no maharesy izao tontolo izao afa-tsy izay mino fa Jesosy no Zanak'Andriamanitra? 6 Izy ilay avy tamin'ny rano sy ny rà, dia Jesosy Kristy; tsy tamin'ny rano ihany, fa tamin'ny rano sy ny rà. Ary ny Fanahy no manambara, satria ny Fanahy no fahamarinana. 7 Fa misy telo izay manambara, 8 dia ny Fanahy sy ny rano ary ny rà; ary mifanaraka tsara izy telo. 9 Raha mandray ny fanambaran'ny olona isika, lehibe lavitra ny fanambaran'Andriamanitra; fa ny fanambaran'Andriamanitra dia ny nanambarany ny Zanany.Ny olona mino an’i Jesoa Kristy
Ny Soratra Masina dia milaza fa izay rehetra mino dia :
1) Manam-pitiavana (and1-3)
Manaiky ny mpino fa i Jesoa no Kristy. Izy no Ilay voahosotr’ Andriamanitra. Izy no Ilay Mesia. Izany fanekeny izany no mitarika azy ho amin’ny fitiavana an’Andriamanitra aloha. Ny fitiavana an’ Andriamanitra kosa dia miseho amin’ny fankatoavana ny didiny (and3). Araka izany, ny olona mino dia sady tia an’Andriamanitra no tia ny namany koa. « Raha misy manao hoe : tia an’ Andriamanitra aho nefa mankahala ny rahalahiny dia mpandainga izy, fa izay tsy tia ny rahalahiny izay hitany, ataony ahoana no fitia an’Andriamanitra izay tsy hitany ? « Ary izay rehetra tia izay niteraka dia tia izay naterany koa » (and1b). Io fitiavana io no ahafantaran’ny olona rehetra fa mpianatry ny Tompo isika. Tsy azo heverina ny isian’ny fifankahalalan’ny samy milaza ho mpino ao am-piangonana.
2) Maharesy izao tontolo izao (and4,5)
Ny teny hoe : izao tontolo izao » dia manambara ny rafi-piaraha-monina izay anjakan’ny fahefan’ny devoly, izay mifanohitra amin’ Andriamanitra. Manjaka ao ny aizim-pahotana rehetra toy ny fahalotoam-pitondrantena, ny fahalovana, ny tsy fahamarinana, ny fifandrafiana, ny fifankahalana, ny fitiavan-tena tafahoatra, ny avonavona. Mifanohitra amin’ Andriamanitra izao tontolo izao. Fa hoy ny voasoratra : »Raha misy olona tia izao tontolo izao dia tsy ao anatiny ny fitiavana ny Ray » (1 Jao 2.15b). Tsy maintsy miatrika ady ara-panahy isanandro ny mpino, raha mbola eto amin’izao tontolo izao. Izay mifikitra amin’ny finoana an’i Jesoa Kristy no maharesy izao tontolo izao.
Fanontaniana :
Inona no mahatonga ny kristiana sasantsasany tsy hifankatia?
Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM