Ny olona mijoro ho vavolombelon’i Kristy

Mofonaina anio: Alakamisy, faha 13 Martsa 2025

Asan'ny Apostoly 5. 29-32

Asan'ny Apostoly 5. 29-32
29 Fa Petera sy ny Apostoly namaly ka nanao hoe: Andriamanitra no tokony hekena mihoatra noho ny olona. 30 Andriamanitry ny razantsika efa nanangana an'i Jesosy, Izay novonoin'ny tananareo nahantonareo teo amin'ny hazo. 31 Izy nasandratry ny tanana ankavanan'Andriamanitra* ho Tompo sy Mpamonjy, hanome fibebahana sy famelan-keloka ho an'ny Isiraely. [* Na: nasandratra ho eo an-tanana ankavanan'Andriamanitra] 32 Ary izahay dia vavolombelon'izany zavatra izany, ary ny Fanahy Masina koa, Izay efa nomen'Andriamanitra ny manaiky Azy.

« … Andriamanitra no tokony hekena mihoatra noho ny olona.» (And. 29)

Teny nataon’i Petera nanoloana ny Synedriona sy ny Mpisoronabe izany. Norarana tsy hitory an’i Jesoa Kristy izy, nampidirina tao an-tranomaizina kanefa Andriamanitra nanafaka sy naniraka azy mbola hanambara hatrany ny filazantsara. Ary nataony tamin’ny fahasahiana izany satria lehibe taminy ny baiko nomen’Andriamanitra azy. Fianarana ho an’ny kristiana ankehitriny izany. Manoloanatra ny iraka mifanohitra amin’ny filazantsara, ataovy ambony ny baikon’ny Tompo mihoatra noho ny tenin’olona. Jesoa Kristy Mpamonjy antsika amin’ny fankatoavana ny teniny.

« … Izay novonoin’ny tananareo nahantonareo tao amin’ny hazo.» (And. 30)

Nambaran’i Petera teo anatrehan’ny Synedriona sy ny Mpisoronabe fa izy ireo no namono an’i Jesoa tamin’ny hazofijaliana. Io Jesoa izay novonoin’izy ireo io anefa no «hanome fibebahana sy famelan-keloka». Nanambara ny fahadisoan’ny olona i Petera. Toy izany ihany koa, tafiditra ao anatin’ny toriteny fitaomana ny olona hibebaka ny filazana ny fahotana vitany sy ny fitaomana ny mpanota handray famelan-keloka avy amin’i Jesoa Kristy. Ka tsy tokony hisy ho tafintohina amin’ny filazana ny fahotana vitany, ao anaty toriteny ny mpino fa hanaiky hiverina amin’ny Tompo kosa.

Inona no mahatezitra ny olona rehefa ambara ny helony?