Ny olona mijoro amin’ny finoana
Mofonaina anio: Alarobia, faha 02 Aogositra 2023
I Petera 4:1-6
1 Petera 4,1 - 6
1 Koa satria niaritra tamin'ny nofo Kristy, dia alao mba ho fiadianareo izany saina izany; fa izay niaritra tamin'ny nofo dia efa afaka* tamin'ny ny ota; [* Gr.nampitsaharina] 2 mba tsy handanianareo ny andro sisa iainanareo amin'ny nofo araka ny filan'ny olona intsony, fa araka ny sitrapon'Andriamanitra. 3 Fa ampy izay ny andro lasa ho nanaovana ny fanaon'ny jentilisa tamin'ny nandehanana tamin'ny fijejojejoana sy ny fanirian-dratsy sy ny fimamoana sy ny filalaovan-dratsy sy ny fisotroan-toaka ary ny fanompoan-tsampy izay fady indrindra; 4 ary amin'izany dia gaga izy ireo, satria tsy miara-mihazakazaka aminy ianareo amin'izany fanaranam-po amin'ny ratsy izany, ka dia teneniny ratsy; 5 nefa hampamoahin'ilay efa vonona hitsara ny velona sy ny maty 6 Fa noho izany no nitoriana ny filazantsara tamin'izay maty aza; mba hotsaraina araka ny olona amin'ny nofo izy fa ho velona araka an'Andriamanitra amin'ny fanahy.Ny olona mijoro amin’ny finoana
1-Mandresy ny fahotana
« Fa Izay niaritra tamin’ny nofo dia efa afaka amin’ny ota » (and 1). Fianarana ho antsika i Kristy izay niaritra tamin’ny nofo. Tsy nandaitra taminy ny fakam-panahy avy amin’i satana. Ny fiaretana manoloana ny filàn’ny nofo araka izany dia fahafahana tanteraka amin’izany ota izany.
2-Mahay mandamina tsara ny fandaharam-potoanany
« Mba tsy handanianareo ny andro sisa iainanareo amin’ny nofo araka ny filàn’ny olona intsony, fa araka ny sitrapon’ Andriamanitra » (and2). Ny fahafahana amin’ny ota dia sady mitsitsy fotoana no ahafahana mifantoka amin’izay tena maika sy zava-dehibe ary izay mahasoa.
3-Mandeha araka ny Sitrapon’Andriamanitra
« …Fa araka ny Sitrapon’Andriamanitra » (and2b). Miara-dalana ny fiaretana amin’ny nofo sy ny fandehanana araka ny Sitrapon’ny Tompo. Zava-poana ihany ny fiaretana ivelan’ny fanarahana ny Sitrapon Andriamanitra. Ilay zanaka adala mba nijaly sy niafy ihany saingy noho ny fandavany ny fiadanana tao amin’ny rainy no fototr’izany.
4-Miala amin’ny fanaon’ny Jentilisa
Ny mpino mijoro amin’ny finoana dia afaka amin’ny fijejojejoana, fanirian-dratsy, fimamoana, filalaovan-dratsy, fisotroan-toaka, fanopoan-sampy (and 3). Olona afaka ny kristiana ka tsy voafatopatotry ny fanaon’izao tontolo izao intsony. Efa olom-baovao, efa lasa ny zavatra taloha. Aoka ary hofehezina ny fanirian-dratsy sy ny sisa. Aoka hiantehitra amin’ny Tompo irery ihany.
Fanontaniana
Inona avy no mampiavaka ny olona tena mijoro amin’ny finoana marina?
Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM