Ny olona mijoro amin’ny finoana
Mofonaina anio: Alatsinainy, faha 07 Aogositra 2023
1 SAMOELA 17.45-51
1 SAMOELA 17.45-51
45 Fa hoy kosa Davida tamin'ilay Filistina: Hianao manatona ahy amin'ny sabatra sy ny lefona ary ny lefom-pohy; fa izaho kosa manatona anao amin'ny anaran'i Jehovah, Tompon'ny maro, Andriamanitry ny miaramilan'ny Isiraely, Izay efa nohaikainao. 46 Anio no hanoloran'i Jehovah anao amin'ny tanako, ary hamely anao aho ka hanapaka ny lohanao, dia homeko ny voro-manidina sy ny bibi-dia ny fatin'ny miaramilan'ny Filistina anio, mba ho fantatry ny tany rehetra fa manana Andriamanitra tokoa ny Isiraely. 47 Ary ho fantatr'izao fiangonana rehetra izao fa tsy sabatra sy lefona no amonjen'i Jehovah; fa an'i Jehovah ny ady, ary hanolotra anareo ho eo an-tananay Izy. 48 Ary nony niainga ilay Filistina ka nanatona hitsena an'i Davida, dia nandroso faingana Davida ka nihazakazaka ho eo amin'ny laharan'ny miaramila hitsena ilay Filistina. 49 Ary natsofok'i Davida tao an-kitapo ny tananay, ka naka vato tao izy, ka dia nalefany tamin'ny antsamotady, ka nahavoa ilay Filistina tamin'ny handriny, ary nilentika tamin'ny handriny ny vato, dia potraka niankohoka tamin'ny tany izy. 50 Toy izany no nandresen'i Davida ilay Filistina tamin'ny vaton'antsamotady, fa namely ilay Filistina izy ka nahafaty azy, ary tsy nisy sabatra teny an-tànan'i Davida. 51 Dia nihazakazaka Davida ka nitsangana teo anilan'ilay Filistina, dia nalainy ny sabatr'ilehio ka notsoahany tamin'ny tranony, dia namonoany azy, sy nanapahany ny lohany. Ary nony hitan'ny Filistina fa maty ilay lehilahy maheriny, dia vaky nandositra izy.Ny olona mijoro amin’ny finoana
1-Manana fomba miavaka
« Ianao manatona ahy amin’ny sabatra sy ny lefona ary ny lefom-pohy fa izaho manatona anao amin’ny Anaran’i Jehovah Tompon’ny maro« (and45). Ny fiankinana tanteraka amin’ny Anaran’ny Tompo no mampiavaka ny tena mpanompony marina. Aoka isika tsy hiankina amin-javatra hafa fa maha-saropiaro ny Tompontsika izany . Tandremo ny miantehitra amin-javatra hita maso, na fahefana, na fitaovana, na vola aman-karena sanatria. Isika dia miankina amin’ny herin’Andriamanitra , amin’ny vavaka, amin’ny finoana.
2-Manana Andriamanitra miavaka
« mba ho fantatry ny tany rehetra fa manana Andriamanitra tokoa ny Israely » (and 46d). Ny ady sarotra atrehan’i Davida mihitsy no nijoroany sy nanehoany fa manana Andriamanitra miavaka izy .Mampahatsiaro antsika ny tenin’i Jesoa hoe: « Tsy ho fahafatesana no anton’izao fa mba hampisehoana ny Voninahitr’Andriamanitra (Jao 11.4) .
3-Manana fandresena miavaka
« Ary nony hitan’ny Filistina fa maty ilay lehilahy maheriny , dia vaky nandositra izy » (and51e) .Nihevitra ny Filistina fa ho moramora ny handresena ny Israely .Variana amin’ny hita maso araka ny fijerin’olombelona izy ireo .Ny olona mijoro amin’ny finoana dia tsy maintsy mandresy na ho ele na ho haingana . Efa nosantarin’i Jesoa io fandresena io , dia ny fandresena an’i satana sy ny forongony.Manamarika izany ny nandresena ny fasana , ny mosary,ny aretina ary ny herin’ny natiora . Mpandresy isika ao amin’ny Tompo.
Fanontaniana :
Lazao ireo mampiavaka ny olona mijoro amin’ny finoana .
Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM