Ny olona mibebaka amin’Andriamanitra

Mofonaina anio: Talata, faha 23 Febroary 2021

NEHEMIA 9.1-8

NEHEMIA 9.1-8
1 Ary tamin'ny andro fahefatra amby roa-polo tamin'izany volana izany dia niangona ny Zanak'Isiraely, sady nifady hanina no samy nitafy lamba fisaonana sy nihosin-tany. 2 Dia niavaka tamin'ny olona hafa firenena rehetra ny taranak'Isiraely ary nitsangana ka niaiky ny fahotany sy ny heloky ny razany. 3 Ary nitsangana teo amin'ny fitoerany avy izy, dia namaky ny teny tao amin'ny bokin'ny lalàn'i Jehovah Andriamaniny tamin'ny ampahefatry ny andro; ary tamin'ny ampahefatry ny andro koa dia nitsotra sy niankohoka teo anatrehan'i Jehovah Andriamaniny izy. 4 Ary Jesoa sy Bany sy Kadmiela sy Sebania sy Bony sy Serebia sy Bany ary Kenany dia nitsangana teo ambonin'ny lampihazon'ny Levita ka nitaraina mafy tamin'i Jehovah Andriamaniny. 5 Ary hoy ny Levita, dia Jesoa sy Kadmiela sy Bany sy Hasabnia sy Serebia sy Hodia sy Sebania ary Petahia: Mitsangana, ka misaora an'i Jehovah Andriamanitrareo mandrakizay mandrakizay. Ary isaorana anie ny anaranao malaza, izay voasandratra ambonin'ny fisaorana sy ny fiderana rehetra. 6 Hianao dia Hianao irery ihany no Jehovah; Hianao no nanao ny lanitra, dia ny lanitry ny lanitra, mbamin'izay rehetra any aminy, ny tany sy izay rehetra eo aminy, ny ranomasina sy izay rehetra ao aminy, ary Hianao no mamelona azy rehetra; ary ireo maro any an-danitra samy miankohoka eo anatrehanao. 7 Hianao no Jehovah Andriamanitra, Izay nifidy an'i Abrama ka nitondra azy nivoaka avy tany Oran'ny Kaldeana sady nanao ny anarany hoe Abrahama; 8 ary Hianao nahita ny fony fa nahatoky teo anatrehanao, ka dia nanao ilay fanekena taminy hanome ny tanin'ny Kananita sy ny Hetita sy ny Amorita sy ny Perizita sy ny Jebosita ary ny Girgasita ho an'ny taranany; ary efa nahatanteraka ny teninao Hianao, satria marina Hianao.

Ny olona mibebaka amin’Andriamanitra

1-Maharitra mamaky soratra masina sy mivavaka

 » …dia namaky ny teny …dia nitsotra sy niankohoka teo anatrehan’i Jehovah Andriamaniny izy » (and3)

Niaiky ny helony sy ny fahotany ary nanetry tena teo anatrehan’i Jehovah Andriamanitra ny vahoaka Jiosy , ka naharitra tamin’ny famakiana ny bokin’ny lalàna nandritry ny ampahefatry ny andro , izany hoe : nandritra ny telo ora, ary nivavaka nitsotra teo anatrehan’i Jehovah Andriamaniny tao anatin’ny telo ora ihany koa . Mariky ny fanekena hankato ny Tenin’Andriamanitra sy fanehoana fahavononana hanompo an’i Jehovah Andriamanitra izany . Koa ny olona mibebaka amin’ Andriamanitra dia mila maneho fahavononana hanompo an’Andriamanitra sy hankato ny teniny ka maharitra amin’ny Tenin’Andriamanitra sy i Jesoa Kristy sy ny vavaka ihany koa .

2-Manaiky ny fahefan’ Andriamanitra Mpahary

« Ianao dia ianao irery ihany no Jehovah . Ianao no nanao ny lanitra , dia ny lanitry ny lanitra » …(and6)

Rehefa avy nitaraina mafy tamin’i Jehovah Andriamanitra ny Levita , izay nitarika ny vahoaka tamin’ny vavaka, dia nitaona ny vahoaka hidera an’ Andriamanitra sy hanaiky ny fahefan’ Andriamanitra Mpahary ny lanitra sy ny tany ary ny ranomasina sy izay rehetra ao aminy . Andriamanitra Tompon’ny hery sy fahefana ny Andriamanitra Mpahary ary miankohoka eo anatrehany avokoa ny zava-boahary rehetra . Ka izay rehetra mibebaka eo anatrehan’Andriamanitra Mpahary dia mila manaiky ny hery sy fahefana ananany izay nomeny an’i Jesoa Kristy velona .

Fanontaniana :

Inona avy ny fomba entina maneho ny fibebahana hita eto ?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM.