Ny olona miatrika ady
Mofonaina anio: Alatsinainy, faha 07 Oktobra 2024
Genesisy 32. 25-31
Genesisy 32. 25-31
25 Dia Jakoba irery no sisa nitoetra teo; ary nisy lehilahy anankiray nitolona taminy ambara-pahazavaratsin'ny andro. 26 Ary rehefa hitany fa tsy naharesy azy izy, dia notendreny ny foto-peny; ka dia nivika ny foto-pen'i Jakoba, raha mbola nitolona taminy Izy. 27 Ary hoy Izy: Avelao Aho handeha, fa efa mazavaratsy ny andro. Fa hoy kosa Jakoba: Tsy havelako handeha Hianao, raha tsy tahinao aho. 28 Ary hoy Izy taminy: Iza moa no anaranao? dia hoy izy: Jakoba. 29 Ary hoy indray Izy: Tsy hatao hoe Jakoba intsony ny anaranao, fa Isiraely; satria efa nitolona tamin'Andriamanitra sy tamin'ny olona ianao ka nahery. 30 Dia nanontany Jakoba ka nanao hoe: Masìna Hianao, lazao kely izay anaranao. Ary hoy Izy: Ahoana no anontanianao ny anarako? Dia nitahy azy teo Izy. 31 Ary ny anaran'izany tany izany dia nataon'i Jakoba hoe Peniela; fa, hoy izy, efa nahita an'Andriamanitra nifanatrika tamiko aho, nefa voavonjy ny aiko.Ny olona miatrika ady
1. Havaozin’Andriamanitra
<< Tsy hatao hoe Jakoba intsony ny anaranao, fa Isiraely; satria efa nitolona tamin’Andriamanitra…. » (And.29)
I Jakoba ilay sady mpandova ny teny fampanantenana no fetsy sy mpamitaka. Mba hahafahan’Andriamanitra mamonjy sy mitsodrano azy, dia tsy maintsy nopotehina io toetra ratsy taloha io. Ka ny tolona izay natao no nahatonga an’i Jakoba ho voadio ary nomena anarana « Israely » izay tsy manana hery afa-tsy avy amin’Andriamanitra. Araka izany, tsy mora ny iainana ny fanavaozana ataon’Andriamanitra ka izay mandresy ao anatin’izany no tonga olom-baovao. Ka izay rehetra mandray ny fanavaozana avy amin’i Kristy dia tsy maintsy miatrika ady. Aoka ho mpandresy amin’ny ady ianao.
2. Mahatsiaro ny famonjen’Andriamanitra
<< Ary ny anaran’izany tany izany dia nataon’i Jakoba hoe Peniela… » (And. 31)
Fomba fisainana tamin’izany, ary nampianarina ny Zanak’Isiraely fa izay mahita ny tavan’ Andriamanitra dia maty (Eks.23. 20). Rehefa avy nandray ny tsodrano anefa i Jakoba vao fantany fa Andriamanitra no nitolona taminy. Izany no nahatonga azy nanao ny anaran’izany toerana izany hoe « Peniela » izay midika « tavan’ Andriamanitra ». Tsaroany ny nifanatrehany tamin’ Andriamanitra nefa tsy maty izy. Famonjena lehibe izany. Araka izany, tsarovy ny famonjena lehibe nataon’Andriamanitra taminao, indrindra ny namonjeny antsika tamin’ny alalan’i Jesoa Kristy. Na dia niatrika ady sarotra aza dia novonjen’Andriamanitra.
Fanontaniana
Inona ireo fahatsiarovana ny famonjen’Andriamanitra anao?
Sampana Sekoly Alahady Foibe