Ny olona miara-dia amin’i Jesoa Kristy
Mofonaina anio: Alarobia, faha 17 Jolay 2024
Lioka 6. 17-26
Lioka 6. 17-26
17 Ary Jesosy niara-nidina tamin'ireo, dia nijanona teo an-kamarenana Izy sy ny mpianany maro mbamin'ny vahoaka betsaka avy tany Jodia rehetra sy Jerosalema, ary avy tany amoron-dranomasina any Tyro sy Sidona, izay tonga mba hihaino Azy sy hositranina amin'ny aretiny; 18 ary izay nampahorin'ny fanahy maloto dia nositranina. 19 Ary ny vahoaka rehetra nitady hanendry Azy, satria nisy hery niala taminy ka nahasitrana azy rehetra. 20 Ary Jesosy dia nanopy ny masony tamin'ny mpianany ka nanao hoe: Sambatra ianareo malahelo, fa anareo ny fanjakan'Andriamanitra. 21 Sambatra ianareo noana ankehitriny, fa hovokisana ianareo. Sambatra ianareo mitomany ankehitriny, fa hihomehy ianareo. 22 Sambatra ianareo, raha halan'ny olona ka ariany sy haratsiny, ary laviny toy ny zava-dratsy ny anaranareo, noho ny amin'ny Zanak'olona. 23 Mifalia ianareo amin'izany andro izany, ka mibitaha*; fa, indro, lehibe ny valim-pitianareo any an-danitra; fa izany no nataon'ny razany tamin'ny mpaminany.[*Na: miantsambora] 24 Fa lozanareo izay manan-karena kosa! fa efa azonareo izay mahafa-po anareo. 25 Lozanareo izay voky ankehitriny! fa mbola ho noana ianareo. Lozanareo izay mihomehy ankehitriny fa mbola be ory sy hitomany ianareo. 26 Lozanareo, raha milaza soa anareo ny olona rehetra! fa izany no nataon'ny razany tamin'ny mpaminany sandoka.Ny olona miara-dia amin’i Jesoa Kristy
1- Mazoto mihaino ny Teniny
«…izay tonga mba hihaino Azy sy hositranina amin’ny aretiny; » (And.17) Voalaza eto fa ny mpianatra sy vahoaka betsaka avy tany Jodia rehetra sy Jerosalema, ary avy tany Tyro sy Sidona no tonga mba hihaino an’i Jesoa Kristy. Milaza izany fa liana tamin’ny fampianaran’i Jesoa Kristy ka nahavatra nandeha lalana lavitra mihitsy mba hihaino Azy. Araka izany, raha tena liana amin’ny fihainoana ny Tenin’i Jesoa Kristy ny olona dia tsy mitandro hasasarana sy vola aman-karena tokoa mba hahafahana mihaino ny teniny. Ao am-piangonana no ihainoana an’i Jesoa Kristy ankehitriny. Koa na dia lavitra aza ny toerana izay ahafahana mandre sy mihaino ny tenin’i Jesoa Kristy dia vonona amin’izany ny olona vonona sy mazoto mihaino ny tenin’ Andriamanitra.
2- Mahazo fanasitranana
« ary izay nampahorin’ny fanahy maloto dia nositranina. » (And. 18) Ambara eto nisy ireo olona izay narary sy nampahorian’ny fanahy maloto nanatona an’i Jesoa Kristy ka nositraniny. Ireo karazan’aretina samihafa izay nentina teo amin’i Jesoa Kristy, na aretina izany na fanahy maloto tamin’izany fotoana izany, dia nositraniny avokoa. Noho izany, misy marary ve eo aminareo? Misy ampahorian’ny demonia va? Ento manatona an’i Jesoa Kristy mba hahazoany manasitrana azy. Jesoa Kristy no vahaolana mahomby amin’ny fanasitranana ny aretina rehetra mety mahazo antsika olombelona. Ary ny lehibe indrindra amin’ny aretintsika dia ny herin’ny ota. Koa ento eo amin’ny Jesoa Kristy ny fahotana mety mahazo anao rehetra mba hahazoany manasitrana anao.
Fanontaniana:
Inona no aretinao tsy mbola nentinao hositranin’i Jesoa?
Sampana Sekoly Alahady Foibe