Ny olona miantso an’Andriamanitra Ray

Mofonaina anio: Alatsinainy, faha 22 Febroary 2021

1 PETERA 1.17-25

1 PETERA 1.17-25
17 Ary raha Ilay tsy mizaha tavan'olona, fa mitsara araka ny asan'izy rehetra, no antsoinareo hoe Ray, dia mitondrà tena amin'ny fahatahorana mandritra ny andron'ny fivahinianareo et? ; 18 fa fantatrareo fa tsy zavatra mety ho simba, tahaka ny volafotsy sy ny volamena, no nanavotana anareo tamin'ny fitondran-tena adala, izay azonareo tamin'ny nentin-drazana, 19 fa ny rà soan'i Kristy, toy ny ran'ny zanak'ondry tsy misy kilema ary tsy misy pentimpentina; 20 Izay fantatra rahateo, fony tsy mbola ary ny fanorenan'izao tontolo izao, fa efa naseho tamin'izao andro farany izao noho ny aminareo 21 Izay mino an'Andriamanitra amin'ny alalany, dia Ilay nanangana Azy tamin'ny maty ka nanome voninahitra Azy,- mba hiorenan'ny finoanareo sy ny fanantenanareo amin'Andriamanitra. 22 Satria efa nodiovinareo ny fanahinareo tamin'ny fanarahana ny fahamarinana ho amin'ny fitiavan-drahalahy tsy miangatra dia mifankatiava fatratra amin'ny fo*; [* Na:(amin'ny fo madio)] 23 fa efa teraka indray ianareo, tsy tamin'ny voa mety ho lò, fa tamin'ny tsy mety ho lò, dia ny tenin'Andriamanitra, izay velona sady maharitra. 24 Fa "ny nofo rehetra dia tahaka ny ahitra, Ary izay mety ho voninahiny dia tahaka ny vonin'ny ahitra. Malazo ny ahitra, ka mihintsana ny voniny; 25 Fa ny tenin'ny Tompo maharitra mandrakizay" (Isa. 40.6 - 8). Ary izany no tenin'ny filazantsara izay notorina taminareo.

Ny olona miantso an’Andriamanitra Ray

1-Miaina ny fahamasinana

« …dia mitondrà, tena amin’ny fahatahorana mandritra ny andron’ny fivahinianareo ety » (and17)

Andriamanitra dia tsy mizaha tavan’olona kanefa mankahala fahotana , ka izay rehetra miantso an’ Andriamanitra ho Ray dia manantena fahasoavana avy Aminy , izay tsy manafoana ny fahatahorana Azy . Satria masina Andriamanitra dia mila miaina amin’ny fahatahorana an’Andriamanitra ny zanany ka manana fitondrantena mendrika . Noho izany , izay rehetra miantso an’Andriamanitra ho Rainy dia tsy maintsy miala amin’ny ratsy ka miaina ny toetra mifanaraka amin’ny sitrapon’Andriamanitra . Ho anao mpino kristiana kristiana ,zanaka natsangan’Andriamanitra ,tamin’ny alalan’i Jesoa Kristy , mialà amin’ny ratsy .

2-Manana finoana sy fanantenana

« …mba hiorenan’ny finoanareo sy ny fanantenanareo amin’ Andriamanitra » (and21)

Efa novidina tamin’ny Rà soan’i Jesoa Kristy ny mpino kristiana , mba hahazoany miorina amin’ny finoana fa i Jesoa Kristy irery ihany no Mpamonjy , ary hanana fanantenana amin’ny fitsanganan’ny tena amin’ny maty ka handova ny fiainana mandrakizay . Ka izay manana finoana an’i Jesoa Kristy Mpamonjy amin’izao ankehitriny izao no manana fanantenana handova ny fiainana mandrakizay amin’ny fiverenan’ i Jesoa Kristy Tompo indray . Koa raha Andriamanitra no antsoinao hoe : Ray , aoreno ao amin’ Jesoa Kristy Mpamonjy ny finoana mba hanananao fanantenana handova ny fiainana mandrakizay .

Fanontaniana :

Isan’ireo handova fiainana mandrakizay ve ianao ? Nhoana?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM